Raha ny loharanom-baovao voaray omaly maraina, dia namono tena nitelina fanafody maromaro, afak’omaly hariva, noho ny famoizam-po, ilay tovovavy 22 taona bevohoka telo volana voalaza fa naolana telolahy, ny alin’ny 7 martsa teo, tany Ilakaka.
Mipetra-drery ity tovovavy ity ary ny sipany teo aloha izay manambady vehivavy hafa amin’izao no voasoketa fa nanolana azy niaraka tamin’ny namany roa. Nanda ny fanosoram-potaka azy izy telolahy. Taorian’io, nisamboaravoara ny tantara, satria nipoitra ny tena marina. Resa-bola sy fialonana no fototry ny olana, ka nahatonga an’ity tovovavy ity nilaza tamin’ny namany fa naolan’ny olon-tiany taloha izy. Tezitra noho ny lainga nafafiny ihany koa ilay teratany vahiny mpividy safira sipany ary voalaza ho rain-janany, izay naman’ny olon-tiany taloha, ka nisaraka taminy ary tsy nanampy ara-bola azy intsony nanomboka teo. Voatery nifindra lasy tany Toliara ity tovovavy ity noho ny henatr’olona, ka tany izy no nikasa hanapitra ny ainy. Soa ihany fa nalaky voavonjy. Mbola manaraka fitsaboana ny tenany hatramin’izao, raha ny angom-baovao azo farany.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.