Taorian’ny ezaka nataon’ny zandarimariam-pirenena amin’ny fikarohana ireo olon-dratsy manimba ny tetezana tao Sahabe, olona dimy hatreto no sarona tamin’ny fanendahana sy ny fangalarana vy amin’ny tetezana. Nitondra faisana ny ankamaroan’ny tetezana vita amin’ny vy, indrindra ny tao amin’ny RN3A dia ny tetezan’i Sahabe Bejofo.
Nandray ny andraikiny ireo mpitandro ny filaminana tamin’ny herinandro lasa teo ka sarona ireo mpangalatra izay mpanefy mpanamboatra angady sy antsy ary ireo fitaovam-pamokarana vita amin’ny vy. Matetika no tapaka ny lalam-pirenena tato ho ato noho ny fanjavonan’ireo takelaby mandrafitra ireo tetezana ka sahirana ireo mpampiasa ny lalana. Nisy mihitsy ny fahatapahan’ny jiron’ny tanànan’Ambatondrazaka ny volana febroary 2015 lasa teo noho ny fahasimban’ny tetezana ka tsy nahafahan’ny fiara vaventy haka ny solika izay mitoby ao Ambaiboho Morarano. Manao antso avo ny kolonely Ranaivonampoizina Harilaza lehiben’ny vondrotobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Alaotra Mangoro ny tokony hisian’ny fifanomezan-tanana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitandro ny filaminana eo amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Raha tonga ara-potoana ny vaovao marim-pototra avy amin’ny tsara sitrapo dia ho haingana ny fanamborana ireo mpanao ratsy.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.