• Alakamisy 09 Aprily 2015
Actualités.Mampiaka-peo ny CRAM Ahenao daholo ny fandaniam-bolam-panjakana.

Nampisy resabe teo amin’ny tontolon’ny fandraharahana sy ny ankabeazan’ny mpanjifa ny resaka JIRAMA nentin’ny minisitry ny Angovo ny talata 7 aprily 2015 teo.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 09 Aprily 2015
Actualités.Tobim-panofanana komando-Ambatolaona Nanamarika ny faha-28 taonany

Feno 28 taona tamin’ity taona ity ny ivontoeram-panofanana mpanao vy very aina na “komando” (Centre National d’Entrainement Commando) any Ambatolaona Manjakandriana. Ny sabotsy lasa teo no nanamarihana izany teny an-toerana sady namoahana ihany koa ny andiany voalohany amin’ny “commando specialisé “ eo anivon’ny Tafika Malagasy. Nitarika ny lanonana tany an-toerana ny lehiben’ny etamazaoro jeneralin’ny tafika Malagasy

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 09 Aprily 2015
Actualités.Fanalana ny fako eto an-drenivohitra “Efa misy ny vola”, hoy ny talen’ny SAMVA teo aloha

Nahatratra 289 tapitrisa Ar ny vola nampidirin’ny SAMVA tamin’ny alalan’ny ROM ( Redevance sur les ordures menagés) tamin’ity volana martsa ity raha tsy nisy afa-tsy 30 tapitrisa Ar tamin’ny taon-dasa.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 09 Aprily 2015
Actualités.Ambodivona Olona 5 voadaroky ny adala romotra

Gaga ny rehetra, na ny mponina mahalala azy na ireo sendra nandalo teny an-toerana raha nahita ny fihetsiky Rasiza, monina etsy Ambodivona niova tampoka afak’omaly talata.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 09 Aprily 2015
Actualités.Ambohidrapeto Itaosy Mpiambina iray maty tao amin’ny trano nambenany

Lehilahy mpiambina iray manodidina ny 40 taona no hita maty tao amin’ny trano nambenany tao amin’ny Fokontany Namehana Antsahamasina, kaominina Ambohidrapeto omaly alarobia antoandro tokony ho tamin’ny 10 ora.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 09 Aprily 2015
Actualités.Ambositra Mpianatra zandary iray maty

Iray volana sy dimy andro monja nidirany tao anatin’ny andiany faha-71 nisy azy tao amin’ny Sekolin’ny Zandarimariam-pirenena tao Ambositra dia nitaraina ho reraka i Ndriantiana Antonio avy any Bealanana ka nomen’ny mpitsabo tao amin’ny “infirmerie”-n’ny sekoly fialantsasatra roa andro taorian’ny fizaham-pahasalamana natao taminy nanomboka ny sabotsy 4 aprily teo.

Hamaky ny tohiny
FTT