Gaga ny rehetra, na ny mponina mahalala azy na ireo sendra nandalo teny an-toerana raha nahita ny fihetsiky Rasiza, monina etsy Ambodivona niova tampoka afak’omaly talata.
Nikiakiaka sy niharomotra ary niantsoantso vonjy tampoka ity vehivavy ity ka niantsoantso fa hoe misy mampitahotra izy. Nisahotaka ny olona fa nandray vatan-kazo hivelesana izay olona nifanena aminy izy. Olona 5 no fantatra fa naratran’io hazo noraisiny io ary ny 2 aza tena voa mafy mihitsy ka voatery nalefa tany amin’ny hopitaly. Samy nanavotr’aina nandositra avokoa izay nahita ny fihetsik’ity vehivavy ity. Taitra ny zanany lahy nahita ity reniny nivazavaza sy nitana hazo ary nanomboka nanary lamba. Tsy nahatana azy anefa ilehio ary vao mainka nitombo ny tanjak’ilay ramatoa. Nisy ihany anefa lehilahy hafa be herim-po nanampy azy ka nisambotra ity ramatoa ity ary tao koa ny niantso mpitandro ny filaminana hanampy. Tezitra niaka-pofona ireo voadaroka. Efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka Rasiza raha tsy tonga haingana ny mpitandro ny filaminana nanakana izany ary nitondra azy tany amin’ny biraon’ny polisy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.