Actualités

Tobim-panofanana komando-Ambatolaona Nanamarika ny faha-28 taonany


  • Alakamisy 09 Aprily 2015

Feno 28 taona tamin’ity taona ity ny ivontoeram-panofanana mpanao vy very aina na “komando” (Centre National d’Entrainement Commando) any Ambatolaona Manjakandriana. Ny sabotsy lasa teo no nanamarihana izany teny an-toerana sady namoahana ihany koa ny andiany voalohany amin’ny “commando specialisé “ eo anivon’ny Tafika Malagasy. Nitarika ny lanonana tany an-toerana ny lehiben’ny etamazaoro jeneralin’ny tafika Malagasy

 



Mafy ny sedra

Nisy ny fampisehoana hakingana sy haizatra nataon’ireo miaramila, avy eo niroso tamin’ny fitokanana trano fianarana ny rehetra ary nisy ny fanolorana maripahaizana ho an’ireo mpiofana. Marihina fa dimampolo izy ireo tany am-piandohana saingy noho ny hamafin’ny fiofanana dia enina amby roapolo no nahavita hatramin’ny farany. Raha tsiahivina ny dingana nolalovan’ireto mpiofana ireto dia tsy vitan’ny fiofanana teo anivon’ny foibe ihany fa nisy ny fampiharana fisedrana azy ireo teo amin’ny atrik’ady. Raha nisy ny fanafihan-dahalo izay nahafatesana mpitandro ny filaminana tany Betroka dia ireto mpiofana ireto no nalefa tany an-toerana hitady ireo andian-dahalo ka nahitam-bokatra izany satria dia maro ireo jiolahy no lavon’izy ireo. Ity ivontoerana ity dia miavaka  satria izy irery no fanofanana komando amin’ny faritra tropikaly aty amin’ny faritry ny Ranomasim-be Indiana. Ankoatra ireo mpianatra ho manamboninahitra avy ao amin’ny Akademia Miaramila ao Antsirabe sy ireo vondron-kery manokana an’ny Zandarimariam-pirenena dia mandranto fiofanana ao amin’io foibe io ihany koa ankehitriny ny miaramila frantsay avy atsy amin’ny nosy la Réunion.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT