Actualités

Ambositra Mpianatra zandary iray maty


  • Alakamisy 09 Aprily 2015

Iray volana sy dimy andro monja nidirany tao anatin’ny andiany faha-71 nisy azy tao amin’ny Sekolin’ny Zandarimariam-pirenena tao Ambositra dia nitaraina ho reraka i Ndriantiana Antonio avy any Bealanana ka nomen’ny mpitsabo tao amin’ny “infirmerie”-n’ny sekoly fialantsasatra roa andro taorian’ny fizaham-pahasalamana natao taminy nanomboka ny sabotsy 4 aprily teo.

 

 Nitombo anefa ny harerahany ka voatery nalefa teny amin’ny hopitaly be tao Ambositra ity zandary ity ny alatsinainy 6 aprily teo saingy tsy tana ny ainy raha vao tonga teny an-toerana. Fihomboan’ny aretina nafeniny tao aminy nandritra ny “visite médicale d’aptitude” no antony voalazan’ny fanambarana ofisialy navoakan’ny zandarimariam-pirenena ho antony nahatonga ny fahafatesana. Nanentana ireo hiditra ho mpianatra zandary tsy hanao izany fihetsika izany mihitsy ny tompon’andraikitra ho fiarovana ny aina. Tokony ho tompon’andraikitra amin’ny fanapahan-kevitra raisiny sy ny vokatr’izany hatrany anefa izay nanatanteraka io fizaham-pahasalamana hahafahana miditra ho zandary io, hisorohana ny kolikoly sy ny gaboraraka voateny lava ao amin’ireny sekolin’ny mpitandro ny filaminana eto amintsika ireny. Ny alatsinainy teo ihany dia efa niala tany Ambositra ny razana ary naterina any Bealanana Faritra Sofia ka niantohan’ny zandarimariam-pirenena manontolo ny fanaterana azy any amin’ny fasan-drazany.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT