Nahatratra 289 tapitrisa Ar ny vola nampidirin’ny SAMVA tamin’ny alalan’ny ROM ( Redevance sur les ordures menagés) tamin’ity volana martsa ity raha tsy nisy afa-tsy 30 tapitrisa Ar tamin’ny taon-dasa.
Mahatratra 181 tapitrisa Ar ihany koa ny vola nialan’ny tale jeneraly teo aloha Rasoamaromaka Roy tao amin’ny kaontin’ny SAMVA na dia mbola mahatratra 441 tapitrisa Ar aza ny trosan’izy ireo tsy voaloa. Mbola hitombo io ROM io, hoy hatrany ny tale jeneraly teo aloha, lalana iray hivoahana amin’ny fanalana ireo fako mivangongo eto an-drenivohitra. Efa nahatafita an-tanatohatra vitsivitsy aho, hoy hatrany Rasoamaromaka Roy. Efa tafapetraka tao anatin’ny 10 andro mantsy ny agent de comptable an’ny SAMVA avy amin’ny minisiteran’ny vola sy ny fitantanam-bola, tafiditra ao anatin’ny fampidirana ny SAMVA anatin’ny fenitra maha fananam-bahoaka azy. Nandritra ny famindram-pahefana teo aminy sy ny tale jeneraly vaovao Ratsimbazafy Andrianarisoa Serge no nanambarany ireo rehetra ireo no sady mbola niantsoany ny bianco ihany koa mba hanamarina ny resaka famoaham-bola momba ny solika tao amin’ity sampandraharaha iray niandraiketany ity. Na izany aza, tsy namaly mazava ny amin’izay mety ho paikadiny hanalany ny fakon’Antananarivo ao anatin’ny fotoana fohy ity tale jeneraly vaovao ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.