Nampisy resabe teo amin’ny tontolon’ny fandraharahana sy ny ankabeazan’ny mpanjifa ny resaka JIRAMA nentin’ny minisitry ny Angovo ny talata 7 aprily 2015 teo.
Nampiaka-peo indray ny CRAM na Cercle de reflexion pour l’avenir de Madagascar tarihan’Atoa Joel Harison Marie René mikasika ny fanambarana nataon’ny minisitry ny angovo, Horace Gatien ny 7 aprily teo izay nilaza fa 664Ar ny 1 kilowatt tokony ho izy raha 360Ar no aloan’ny mpanjifan’ny Jirama ankehitriny ary horaisin’ny mpandraharaha vahiny mandritra ny 10 taona ny toby anankiroa fanodinana jiro fananan’ny Jirama ka vola 18 tapitrisa dolara no hoentiny hanarenana izany. Nametra-panontaniana ny CRAM hoe tena bankiropitra ve ny fanjakana malagasy ka tsy manana izany vola izany mba hoentina hanamboarana milina simba sy hanafarana solika mavesatra na fuel-oil hampiasaina ? Manana andoavana ny mety ho fiakaran’ny vidin-jiro ve ny mpiasa malagasy izay 7 % monja ny fisondrotan-karamany ? Nandroso vahaolana vitsivitsy ny CRAM ankoatra izany fanontaniana izany ka nilaza fa ho fitsinjovana ny sosialim-bahoaka dia tokony hiditra amin’ny fitsitsiana ny volam-bahoaka ny mpitondra fanjakana, ferana ny fivezivezen’ny mpitondra any ivelany, ny « tickets d’essence » eo anivon’ny Andrim-panjakana rehetra, hahena ny isan’ny minisitera ka hatambatra izay afaka miaraka fa betsaka loatra, foanana avokoa ny « réception » rehetra eo anivon’ny Andrim-panjakana. Ferana ny isan’ny fiarakodia hampiasain’ny Andrim-panjakanaka ka hamidy ny sisa, havadika ho « panneau solaire » avokoa ny fampandehanana ny jiro any amin’ny biraom-panjakana rehetra satria amin’ny ankapobeny dia tsy miasa alina ny mpiasam-panjakana. Hahena ny isan’ny mpiara-miasa amin’ireo mpikambana ao amin’ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena sy ireo mpiara-miasa amin’ny solombavambahoaka tsirairay avy, manafatra solika mavesatra mivantana ny fanjakana ary averina hiasa ny « raffinerie » ao Toamasina. Aza hadinoina, hoy ny CRAM, fa amin’ny volana janoary 2016 dia afaka miasa ny milina faha-4 mpamokatra herinaratra ao Andekaleka ary ato anatin’ny folo taona dia efa mety ho anisan’ny firenena mamokatra solika i Madagasikara.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.