• Alarobia 22 Aprily 2015
Actualités.Tiko Toamasina Nosokafana vonjimaika …

Nesorina omaly ny hidy nanagejan’ny fanjakana ny Mana sy TOP nahafahana nanokatra ireo orinasa mpamokatra lafarinina sy menaka ary dibera an’ny vondron’orinasa Tiko ao amin’ny Port Toamasina.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 22 Aprily 2015
Actualités.Fitrandrahana harena ankibon’ny tany Manadio ny fitantanana i Madagasikara

Hampita an’i Madagasikara amin’ny dingana ambonimbony kokoa eo amin’ny lafiny fahadiovana ara-pitondrana sy mangarahara ara-pitantanana , izany hoe hiala amin’ilay dingana maha firenena mpilatsaka ho mpikambana amin’ny Eiti na (Initiatives pour la transparence des industries extractives) hiampita any amin’ny dingan’ny fiirenena ara-dalàna no tena antondian-dramatoa Clare Short,

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 22 Aprily 2015
Actualités.Fanondranana Boaderozy 300 taonina indray no niainga tao Maroantsetra

Toky nataon’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean ny ady atao amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena, ka voatonona manokana amin’izany ny boaderozy na andramena izay nanaratsy ny endrik’i Madagasikara teo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 22 Aprily 2015
Actualités.Fikambanana MAZOTO -Toliara Miaro hatrany ny tombotsoam-bahoaka

« Tsy manohitra ny hitrandrahan’ny orinasa Toliara Sands fasimainty ao Ranobe ny MA.ZO.TO (fikambanana tsy manao politika), fa ho arofanina kosa amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy hijoro hiaro ny tombontsoam-bahoaka amin’ireo toerana dimy hitrandrahan’ny Toliara Sands fasimainty ao Ranobe, no anto-piasiany izay natsangana teto Toliara ny volana

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 22 Aprily 2015
Actualités.Kolonely misotro ronono Lasa mpanao aferam-basy

Kolonely iray misotro ronono no fantatra fa voarohirohy amina aferam-basy ao Antsirabe amin’izao fotoana. Tsy vao indray na in-droa no nahavoarohirohy azy io fa efa afera niisa 4 be izao. Ambaran’ny maro fa io aferam-basy io mihitsy no bizina ataon’ity manamboninahitra ity satria dia efa tena manana mpiaro

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 22 Aprily 2015
Actualités.Fanafihan-jiolahy Mpandraharaha Sinoa 2 maty voatifitra

Mpandraharaha sinoa amin’ny resaka fambolena Holatra sy fakana ditin-kazo no nisy nanafika ny takarivan’ny alatsinainy teo. Tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany dia nanatona ny toeram-ponenana misy ilay orinasa BDF ao Analavola Ranomainty ny lehilahy maromaro.

Hamaky ny tohiny
FTT