Actualités

Fitrandrahana harena ankibon’ny tany Manadio ny fitantanana i Madagasikara


  • Alarobia 22 Aprily 2015

Hampita an’i Madagasikara amin’ny dingana ambonimbony kokoa eo amin’ny lafiny fahadiovana ara-pitondrana sy mangarahara ara-pitantanana , izany hoe hiala amin’ilay dingana maha firenena mpilatsaka ho mpikambana amin’ny Eiti na (Initiatives pour la transparence des industries extractives) hiampita any amin’ny dingan’ny fiirenena ara-dalŕna no tena antondian-dramatoa Clare Short,

filohan’ny  fikambanana iraisam-pirenen’ny Eiti eto Madagasikara. Omaly  dia nihaona tamin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Jean Ravelonarivo,  ity  tompon’andraikitra ambony ity. Fihaonana voalohany taorian’ny nanafahana ny sazin’i Madagasikara tamin’ny volana jona 2014. Fepetra fito no  tsy maintsy  tanterahina vao mahazo ny fankatoavan’ny Eiti ny fomba fitantanana ara  indostria eto Madagasikara  ka nampirisika antsika tamin’izany ezaka izany ramatoa Clare Short. Marihina fa ny fahatafidirantsika ao anatin’ny fianakaviamben’ny Eiti dia fepetra takian’ny mpamatsy vola avy any ivelany amin’ny fangaraharan’ny fitantanana ny harena ankibon’ny tany  eto amintsika. Ny praiminisitra raha nandray  fitenenana dia nampatsiahy  fa efa tafiditra  ao anatin’ny Paikady  Natao Dinasa  sy ny Paritra Malagasy  zary Ohabolana ny fanadiovana sy ny fanatsarana ny fomba fitantanana ny indostria misahana ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany eto Madagasikara.  Mba hisy fiantraikany amin’ny  toekaren’ny tokantrano tsirairay amin’izay, hoy ny praiminisitra  ny  ezaka  atao  amin’ny fitrandrahana amin’ny ara-drariny ny harena ankibon’ny tanin’ny Malagasy. Ny fandrafetana ny fepetra anatiny ny  fitrandrahana vatosoa sy ny volamena ary ny harena hafa any ambanin’ny tany sy ny fananganana indray ny sekoly ambony hanofana Malagasy manampahaizana amin’ny  fitrandrahana moa no tena tanjon’ny minisiteran’ny Solika sy ny Harena an-kibon’ny tany ao anatin’ny zato andro.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT