Kolonely iray misotro ronono no fantatra fa voarohirohy amina aferam-basy ao Antsirabe amin’izao fotoana. Tsy vao indray na in-droa no nahavoarohirohy azy io fa efa afera niisa 4 be izao. Ambaran’ny maro fa io aferam-basy io mihitsy no bizina ataon’ity manamboninahitra ity satria dia efa tena manana mpiaro
matanjaka ny tenany ary tsy voatazona am-ponja izany mihitsy. Vaky vava mihitsy ny mpitandro filaminana amin’ity manamboninahitra ity satria efa niakatra fampanoavana hatrany izy isaky ny tratra saingy afaka madiodio hatrany. Raha ny tranga niseho ny herinandro lasa teo tany Antsirabe araka ny tatitra nataon’ny lehiben’ny brigady dia nisy mpitondra moto maromaro hihazo ny fokontany Andrangy niaraka tamin’ny mpanao vato, voasakan'ny zandary teo Atsinanan'Ivohitra satria efa nisy ny filazana mialoha nataon'olon-tsotra tamin’ny zandary fa mitondra basy ireo olona ireo. Natao tokoa ny fisavana ka nahitana itony "fusil à lunette" itony iray niaraka tamin’ny bala 28 isa tratra tany amin'ireo olona ireo. Nentina nanaovana famotorana avy hatrany izy ireo, ary rehefa nandeha ny fanadihadiana, dia tany amin'io miaramila kolonely misotro ronono io indray no niafaran'ny resaka ary nambaran’izy ireo fa izy no nivarotra ilay basy. Tao anaty fanadihadiana ihany no nahalalana fa ity miaramila raindahiny amin'ny aferam-basy ity, raha ny fanazavan'ny zandary ihany, no manome ny basy sy milaza ho mikarakara ny taratasy haha ara-dalàna izany. Efa niakatra fitsarana indray ny raharaha ka olona 2 no voarohirohy tamin'io tranga farany io, dia ny mpivarotra sy ny mpividy, saingy dia afaka sy nahazo fahafahana vonjimaika indray ilay miaramila misotro ronono ary efa miriaria any indray ankehitriny.
Caïus R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.