« Tsy manohitra ny hitrandrahan’ny orinasa Toliara Sands fasimainty ao Ranobe ny MA.ZO.TO (fikambanana tsy manao politika), fa ho arofanina kosa amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy hijoro hiaro ny tombontsoam-bahoaka amin’ireo toerana dimy hitrandrahan’ny Toliara Sands fasimainty ao Ranobe, no anto-piasiany izay natsangana teto Toliara ny volana
oktobra 2014, izay miaro ny aina sy ny zon’olombelona ary ny tontolo iainana aty amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Tsy natsangana hiady amin’ny Toliara Sands velively ny MAZOTO araka ny filazan’ny sasany, fa tsy maintsy hanohy ny fitondrana ny feon’ny vahoaka sy ny fiarovana ny zony hatrany toy ny nataony hatramin’izay », hoy ny filohan’ny fikambanana, Théo Rakotovao, mpanakanto malaza sady mpiaro ny tontolo iainana, nanao valandresaka tamin’ny mpanao gazety tany Toliara ny alatsinainy teo.
Fitiavan-tanindrazana
Raha ny nambaran’ity artista iraisam-pirenena ity dia volany madiodio manokana miampy ny tsipaipaikan’ny mpikambana sy ny fanampian’ireo malala-tanana avy any dilambato no hanaovany ny hetsika noho ny fitiavan-tanindrazana tsy voavidy vola. « Mahatsiaro manana adidy amin’ny tanindrazako aho hitondra ny feon’ny vahoaka amin’ireo voka-dratsy mety hateraky ny fitrandrahana, ka nisy ny fidinana natao tao Tsianisiha sy Ankilimalinike nifampiresaka tamin’ny vahoaka any ifotony sy nanazava tamin’izy ireo ny zony manoloana ny toe-javatra mikasika ny tetikasa fitrandrahana fasimainty ataon’ny Toliara Sands », hoy Théo Rakotovao. Mafy ny fanakianana ataon’ireo nanatrika ity valandresaka ho an’ny mpanao gazety ity ny fikambanana MA.ZO.TO, indrindra ireo tanora liam-pivoarana sy mpianatra tonga tao, satria dia ho fasan’ny tetikasa foana ve i Toliara, kanefa misy orinasa goavana hita izao fa hitondra fampandrosoana mijoro potehina sy hanaovana antsojay.
Eric R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.