Actualités

Tiko Toamasina Nosokafana vonjimaika …


  • Alarobia 22 Aprily 2015

Nesorina omaly ny hidy nanagejan’ny fanjakana ny Mana sy TOP nahafahana nanokatra ireo orinasa mpamokatra lafarinina sy menaka ary dibera an’ny vondron’orinasa Tiko ao amin’ny Port Toamasina.

 

 “Ordonnance” navoakan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao Toamasina no nahafahana nanatanteraka izany, natrehin’ny solontenan’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny minisiteran’ny Varotra tamin’ny alalan’ny Tale jeneralin’ny varotra sy ny fanjifana, Raharison Mirana Rivo, ny solontenan’ny Tiko tarihin’ny Tale jeneraly Randrianarison Bruno sy niaraka tamin’ny mpisolovava sy vadintany. Araka ny fantatra dia anton’izao fanokafana vonjimaika ary ao anatin’ny fotoana voafetra ny ozinin’ny TIKO ao Toamasina izao ny fiaraha-mijery ny zava-misy na ny “inventaire contradictoire” mba ahafahana manonitra ny fahavoazana nihatra tamin’ity orinasan’ny fianakaviana Marc Ravalomanana ity tamin’ireny raharaha 2009 ireny, araka ny voalazan’ny tondrozotra. Nahagaga fa na dia nogiazan’ny fanjakana (scellés) sy nametrahana mpiambina sivily aza ireto orinasa Mana sy TOP ao Toamasina  ireto, ankoatra ny fisian’ny sakana ataon’ny polisy sy zandary ary ladoany, dia tafavoaka foana ny entana tao. Hitohy anio sy rahampitso zoma ny fitsirihana, aorian’izay dia haverina hohidiana indray. Fanombohana ity atao ao Toamasina ity fa ho hita eo ny tohiny.


Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT