Mpandraharaha sinoa amin’ny resaka fambolena Holatra sy fakana ditin-kazo no nisy nanafika ny takarivan’ny alatsinainy teo. Tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany dia nanatona ny toeram-ponenana misy ilay orinasa BDF ao Analavola Ranomainty ny lehilahy maromaro.
Rehefa nanapoaka basy sy nanambana zava-maranitra ireo mpiasa ireo andian’olona vao samy taitra ny rehetra. Ilay Sinoa antsoina hoe sefo Tseun no lasibatry ny jiolahy voalohany ka maty avy hatrany taorian’ny tifitra nahazo azy fa i Sefo Loze kosa sahy nifanandrina tamin’ireo andian-jiolahy ka voatifitra teo amin’ny maojany. Rehefa azon’ny jiolahy ny vola tao amin’ny fitahirizana azy tao amin’ny orinasa sy ny fitaovana famakiana hazo miampy ny solosaina dia nandao ny toerana izy ireo. Taorian’izay vao nikoropaka nitondra an’i sefo Loze hotsaboina ny fokonolona. Teny an-dalana hihazo ny toeram-pitsaboana any Ambatondrazaka no afaka ny ainy noho ny fahaverezan-dra be loatra. Tonga tao amin’ny hopitaly Ambatondrazaka ny vatana mangatsikany ny alatsinainy alina tokony amin’ny 12 ora latsaka fahatelony. Araka ny loharanom-baovao dia fito lahy ireo mpanafika ka basy telo sy Antsy maranitra no nampiasain’izy ireo. Nanomboka ny taona 2011 izy ireo no niasa tany Alaotra Mangoro. Tao Moramanga no niaingany fa ny taona 2014 izy ireo no nifindra tao Analavola Ranomainty distrikan’Amparafaravola. Efa nandray ny andraikitra manandrify azy avokoa na ny mpitandro ny filaminana sy ny fikambanana Sinoa Malagasy any Alaotra. Ao amin’ny Cercle Chinois Ambatondrazaka no nametrahana ny vatana mangatsiakan’izy roalahy mandra-piandry ny toromarika avy amin’ny fianakavian’izy ireo.
Niry A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.