Actualités

Fanondranana Boaderozy 300 taonina indray no niainga tao Maroantsetra


  • Alarobia 22 Aprily 2015

Toky nataon’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean ny ady atao amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena, ka voatonona manokana amin’izany ny boaderozy na andramena izay nanaratsy ny endrik’i Madagasikara teo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena.

 

Toa lasa kabary fotsiny anefa ilay izy satria misy ihany ny hazo sarobidy miondrana an-tsokosoko. Tany Maroantsetra ao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Rantabe, dia tsy tahotra tsy henatra ireo mpanao trafika manondrana izany eo imasom-bahoaka amin’ireo sambo kely 03 mahazaka 100 taonina avy. Voalazan’ny olona any an-toerana fa dia mitazam-potsiny ny fanondranana ireo mpitandro ny filaminana. Fantatra fa  “mpandraharaha mpibizina andramena avy any Antalaha” no manao ny afera. Raha ny vaovao nangonina ihany dia mahalala ny fisian’io fanondranana boaderozy tao Rantabe Maroantsetra io manampahefana ambony maro saingy toa samy mody fanina izany fotsiny. Ny zava-misy araka ny fanazavana an-telefaonina nataon’ireo mponina nantsoina tany Maroantsetra, dia mahatsapa izy ireo fa mitranga hatrany ny trafika any amin’izy ireo amin’ny fotoana mahatapaka sy mampikorontana ny fifandraisana amin’ny finday amin’ny tambajotra rehetra misy. Voalaza hatrany fa ny alina sy antoandro no mateti-pitranga izany ary raha jerena ny finday dia toa mahazo tambajotra izany saingy raha ampiasaina dia tsy misy olona azo mihitsy.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT