• Alatsinainy 27 Aprily 2015
Actualités.Faritra Betsiboka Mandeha foana ny asa na dia misy aza ny olana

Raha ora iray isan’andro ny delestazy tany Maevatanàna hatrizay, dia nitombo ho ora maromaro isan’andro izany tato anatin’ny tapa-bolana noho ny tsy fahampian’ny solika ampiasain’ny Jirama.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2015
Actualités.PROJET OSER FIANTSO MADAGASIKARA Tsaboina maimaimpoana ireo fianakaviana sahirana ao Toliara

Ho fanamafisana ny fiaraha-mientana hanatsarana ny fomba fandraisana sy fikarakarana ireo fianakaviana sahirana ara-pivelomana amin’ny fitsaboana azy ireo eny amin’ny tobim-pahasalamana ifotony (CSB), dia nisy ny sabotsy teo, tany Toliara, ny atrikasa narahina adihevitra nokarakarain’ny Projet OSER Fiantso Madagasikara, ny ATD Quart Monde sy ny vovonan’ny fiarahamonim-pirenena any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, tao amin’ny efitrano malalaky ny DIDEC

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2015
Actualités.RAHARAHA ADY TANY Tsy mazava ny antontan-taratasin’ilay depiote

Rahefa nojeren’ilay mpandraharaha tompon’ny tany teny anivon’ny birao misahana ny fananan-tany dia tsy ara-dalàna avokoa ny antontan-taratasy any amin’ilay solombavambahoaka mikasika ny ady tany ao Antanimalandy. Taratasy tsy voarakitra ao anatin’ny “droit d’enregistrement” no any amin’ilay depiote.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2015
Actualités.Fandrobana ny Groupe Vidy Varotra Lasan’ny jiolahy ny fitaovana lafo vidy maro

Nisy namaky ny alin’ny sabotsy 25 aprily lasa teo ny foiben-toeran’ny vondron’orinasa Vidy Varotra-Soanierana izay misy ihany koa ny gazety Tia Tanindrazana. Jiolahy iray misaron-tava no hita niditra tamin’ny varavarankely araka ny sary tao amin’ny « camera de surveillance »

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2015
Actualités.Zanadranavalona Mbola lany ho filoha Ravelonarivo Eddie Louis

Nizotra antsakany sy andavany omaly alahady 26 aprily tetsy amin’ny Ceg Ampefiloha ny fifidianana ho filoha vaovaon’ny fikambanana Zanadranavalona avy eny Anosimanjaka. Roa moa ny kandidà tamin’ity fifidianana ity dia ny filoha am-perinasa Ravelonarivo Alain Eddie Louis sy ny tanora Atoa Rasahavelo Andrianjevarivony Manasse

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2015
Actualités.Toeram-pivavahana notafihan’ny jiolahy Entana sarobidy maro sy vola nanjavona

Mila mailo hatrany ny olom-pirenena mahakasika ny firongatry ny asan-jiolahy mamaivay amin’izao. Na efa miezaka aza ireo mpitandro ny filaminana amin’ny fanenjehana ireo olon-dratsy mpampahory vahoaka, dia ilaina hatrany ny fiaraha-mientan’ny rehetra mba hahafahana misambotra ireo fanetriben’ny firenena

Hamaky ny tohiny
FTT