Nizotra antsakany sy andavany omaly alahady 26 aprily tetsy amin’ny Ceg Ampefiloha ny fifidianana ho filoha vaovaon’ny fikambanana Zanadranavalona avy eny Anosimanjaka. Roa moa ny kandidà tamin’ity fifidianana ity dia ny filoha am-perinasa Ravelonarivo Alain Eddie Louis sy ny tanora Atoa Rasahavelo Andrianjevarivony Manasse
. Mpifidy 332 no tonga nanefa ny adidiny tamin’io omaly nanomboka tamin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora tolakandro. Lany ho filoha amin’ny 4 taona manaraka ka hanohy ireo asa maro efa natomboka nandritra izay 4 taona lasa izay Atoa Ravelonarivo Alain Eddie nahazo ny vato 316, vato 15 kosa no lasan’ny mpifaninana taminy ary 1 no vato maty. “Ity no fifidiana filohana Zanadranavalona nilamina indrindra hatramin’izay”, hoy ny filoha vaovao, “ka isaorana ny Andriamanitra Andriananahary sy ny razana”. “Tsy maintsy nirotsaka kosa aho”, hoy Atoa Rasahavelo Manasse, “na dia fantatra fa tsy ho lany aza, mba tsy hiheveran’ny olona fa hoe tsy misy olona intsony ao amin’ny fikambanana”. “On ne change pas une équipe qui gagne”, hoy Atoa Alain Eddie, ka tsy hisy hovàna ireo mpikambana ao amin’ny birao fa azo ampiana kosa raha ilaina. Laharam-pahamehana ny fanamboarana ny tanàna ka ho voalohany amin’ny izany ny fanaovana “Pavé” ny lalàna miakatra ny tanàna eny Anosimanjaka. Mikasika ny tsy fitovian-kevitra miseho lany eo amin’ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy dia efa nampiantsoan’ny minisitra tompon’andraikitra ny Zanadranavalona sy ny Trano koltoraly malagasy vao tsy ela akory izay, hoy izy, ka samy nitondra ny fanazavany avy mikasika ny zavatra hifandirana nefa tsy mbola nisy ny nifanarahana fa mbola mety hotohizana amin’ny manaraka ny dinika. Eto aloha dia ho tohizana ny efa natomboky ny mpanjaka Ralambo hatramin’ny taona 1575 ka ny 16 sy 17 ry 18 jolay izao no hankalazan’ny Zanadranavalona ny taom-baovao malagasy amin’ity taona 2015 eny Anosimanjaka.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.