Actualités

Toeram-pivavahana notafihan’ny jiolahy Entana sarobidy maro sy vola nanjavona


  • Alatsinainy 27 Aprily 2015

Mila mailo hatrany ny olom-pirenena mahakasika ny firongatry ny asan-jiolahy mamaivay amin’izao. Na efa miezaka aza ireo mpitandro ny filaminana amin’ny fanenjehana ireo olon-dratsy mpampahory vahoaka, dia ilaina hatrany ny fiaraha-mientan’ny rehetra mba hahafahana misambotra ireo fanetriben’ny firenena

 . Fiangonana iray ao Toliara no nisy namaky, ny zoma alina hifoha ny sabotsy naraina teo. Voaroban’ny jiolahy tamin’izany ny entana maromaro sarobidy tao amin’ity toeram-pivavahana ity toy ny fitaovana fanamafisam-peo, niampy vola tao anaty vata sarihana, hoy ny loharanom-baovao. Tsy vao sambany no nahenoana toeram-pivavahana nisy namaky tao Toliara, saingy efa lefy laza izany ka izao niverina izao indray. Tsy an-tsaha, tsy an-tanàn-dehibe fa mandravarava ny dahalo sy jiolahy mitam-basy. Hatramin’ny tranon’ Andriamanitra misy sahy mamaky !

Eric R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT