Actualités

RAHARAHA ADY TANY Tsy mazava ny antontan-taratasin’ilay depiote


  • Alatsinainy 27 Aprily 2015

Rahefa nojeren’ilay mpandraharaha tompon’ny tany teny anivon’ny birao misahana ny fananan-tany dia tsy ara-dalàna avokoa ny antontan-taratasy any amin’ilay solombavambahoaka mikasika ny ady tany ao Antanimalandy. Taratasy tsy voarakitra ao anatin’ny “droit d’enregistrement” no any amin’ilay depiote.

 

 

 Ny taratasy fifanekena ara-barotra ihany no natolotr’ilay mpividy taminy. Midika izany fa tsy azy velively ny tany ka tokony hanaiky mora fotsiny izy ny amin’ny fanaporofoana ireo antontan-taratasy eo am-pelatanan’io mpandraharaha io. Misy zavatra tsy mazava ao ambadika ity raharaha ity tamin’ny famoahan’ny fitsarana ny didy na ny “ordonnance” mikasika ny fampidirana ireo mpiambina tao amin’ny toerana ao Antanimalandy. Tsy tokony mbola izay no dingana atao fa ny fanamarinana fa efa misy tompony marina io tany io. Nokajian’ity mpandraharaha ity anefa fa tena voafitak’io depiote io ny fitsarana ny amin’ireo taratasy hosoka misy eny aminy ka tokony hisy ny fanamarinana izany. Nilaza ilay mpandraharaha fa tsy maintsy ho azony ny tany izay fananany madiodio. Hiakatra fitsarana ny talata izao ny raharaha ka ho hita eo indray ny fanapahan-kevitry ny fitsarana.

                                                                                                                             Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT