Actualités

Faritra Betsiboka Mandeha foana ny asa na dia misy aza ny olana


  • Alatsinainy 27 Aprily 2015

Raha ora iray isan’andro ny delestazy tany Maevatanàna hatrizay, dia nitombo ho ora maromaro isan’andro izany tato anatin’ny tapa-bolana noho ny tsy fahampian’ny solika ampiasain’ny Jirama.

 


 

 Tsy manana vahaolana (vola sy fitaovana) hiatrehana an’io delestazy io anefa hatreto aloha ny faritra raha araka ny filazan’Atoa Randrianjafinindrina Jean Roger filohan’ny faritra Betsiboka. Ankoatra izay, mijaly amin’ny resaka rano koa ny ao Maevatanàna, ny hafanana anefa efa tena mafy, nisy ny ezaka natao niaraka tamin’ny EGFOM eo amin’ny resaka fampidirana sy fitsinjarana rano fisotro madio. Niezaka manokana ny tao amin’ny faritra tamin’ny fametrahana « borne fontaine » maromaro tao anatin’ny 3 volana. Amin’ny lafin-javatra hafa kosa dia nisy ny fanatsarana ny fandriampahalemana miaraka amin'ny dina ka miara-miasa amin'ny faritra ny mpitandro ny filaminana, « milamina ny fandriampahalemana eto Maevatanana », hoy ny lehiben’ny faritra. Nomarihany koa fa misy ireo zatra ny lalan-dririnina no tsy faly amin'ny fampiharana ny dina kanefa ilaina ny fanaovana azy io. Milaza moa ny tenany fa tsy nisy olona nieritreritra hidina an-dalambe na hanakorontana izany  fa tsaho nentina hanakorontana saim-bahoaka fotsiny ireny. Na dia misy aza ny olana dia mandeha foana ny asa, hoy izy.

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT