Actualités

PROJET OSER FIANTSO MADAGASIKARA Tsaboina maimaimpoana ireo fianakaviana sahirana ao Toliara


  • Alatsinainy 27 Aprily 2015

Ho fanamafisana ny fiaraha-mientana hanatsarana ny fomba fandraisana sy fikarakarana ireo fianakaviana sahirana ara-pivelomana amin’ny fitsaboana azy ireo eny amin’ny tobim-pahasalamana ifotony (CSB), dia nisy ny sabotsy teo, tany Toliara, ny atrikasa narahina adihevitra nokarakarain’ny Projet OSER Fiantso Madagasikara, ny ATD Quart Monde sy ny vovonan’ny fiarahamonim-pirenena any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, tao amin’ny efitrano malalaky ny DIDEC

 

 

. Ny tanjona, hoy Rtoa Randrianavony Hortense, Leader thématique santé, ny fanetsiketsehana sy fahampafantarana bebe kokoa ny « Fonds d’équité » na tahirim-bola manonkana amin’ny 3%-n’ny vola miditra amin’ny tobim-pahasalamana no harotsaka hisitrahan’ny olona sahirana ny zony eny amin’ireo toeram-pitsaboana amin’ny fitsaboana maimaimpoana azy ireo.

Vahaolana vaovao fanamafisana ny fiaraha-miasa

« Raha ny ao Toliara manokana dia mbola ambany ny tahan’ireo olona sahirana mahafantatra ny fisian’io Fonds d’équité io, satria tsy  misy ny paikady arahina amin’ny fandraisana ireo fianakaviana sahirana eny anivon’ny CSB », raha ny fanazavan’Atoa Gaudefrois Tsimehery, avy ao amin’ny ATD Quart Monde. Raha ny voalazan’ity tompon’andraikitra ity dia vahaolana vaovao hamafisina amin’ity atrikasa arahina adihevitra, izay hita fa tsy ampy teo aloha, ny tokony hanamafisana ny fiaraha-mientana amin’ireo fianakaviana sahirana mba hisitrahany ny zony amin’ny fitsaboana araka ny tokony ho izy.

 

Eric R.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT