• Talata 26 Mey 2015
Actualités.Fanamboarana ny fefiloha fiherena Tsy misy ny vola, fampanantenana poakaty no betsaka

Noho ny tsy fisian’ny asa fanamboarana hatramin’izao ny fefiloha Fiherena vokatry ny tsy fisian’ny famatsiam-bola, na dia teo aza ny fampanantenana samihafa nataon’ny filohan’ny repoblika sy ny praiminisitra roa farany nifandimby nandalo tany Toliara, amin’ny hanamboarana indray an’ity fefiloha ity, amin’ny alalan’ny fandoavana ny volan’ny orinasa nanamboatra ny fefiloha mirefy 1,4 km ravan’ny rivodoza Haruna ny febroary 2013, ka ny 70%-n’ny asa no vita tamin’io taona io, dia ahiana ho vaky indray ity fefiloha ity noho fahanteran’ireo fotodrafitrasa. Miaina ao anaty tebiteby ny vahoaka noho ny loza mitatao aminy satria afaka dimy volana dia ho avy indray ny fotoam-pahavaratra.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 26 Mey 2015
Actualités.Air Madagascar Nalaina any Toulouse ny ATR72-600 faharoa

Niala teto Madagasikara omaly nihazo an'i Toulouse Frantsa ny delegasionan'ny Air Madagascar, tarihin'ny filohan'ny Filankevi-pitantanana handray ilay fiaramanidina ATR72-600 faharoa hanatevina ny fiaramanidin'ity kaompania nasionaly ity, hisahana ny zotra anatiny sy amin'ireo nosy manodidina.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 26 Mey 2015
Actualités.Aretina tazomoka Ho maimaimpoana ny fitsaboana

Ho maimaimpoana ny fitsaboana ny aretina tazomoka manomboka izao. Araka ny tatitry ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka mantsy dia nitombo efatra heny ireo olona lasibatr’ity aretina ity tamin’ity taona 2015 ity raha oharina tamin’ny taona 2014 ka anisan’ny faritra tena voakasik’izany ny any Atsimo Andrefana.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 26 Mey 2015
Actualités.Fiarahamonina Efa manomboka sahady ny tsipoapoaka

Lazaina fa voararan’ny lalàna ny fanapoahana ny tsipoapoaka. Amin’izao volana mey izao anefa dia re manakoako eran’ny tanàna eto an-drenivohitra ity petara vita sinoa ity.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 26 Mey 2015
Actualités.Tolagnaro Karana lahy maty notifirin'ny jiolahy

Mpandraharaha teratany karana iray, fantatra amin’ny anarana hoe Dally no maty notifirin’ny jiolahy nandritra ny fanafihana mitam-basy nitranga tao Ambinanikely Tolagnaro ny alakamisy 22 mey teo, tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany hariva.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 26 Mey 2015
Actualités.Fampahafantarana an’i Madagasikara Mihetsika ireo Malagasy mila ravinahitra any Sina

Misikim-ponitra manao izay ho afany mampahafantatra an’i Madagasikara hisarihana ireo mpizahatany sinoa ho avy aty Madagasikara ireo Malagasy mila ravinahitra any an-toerana.

Hamaky ny tohiny
FTT