Niala teto Madagasikara omaly nihazo an'i Toulouse Frantsa ny delegasionan'ny Air Madagascar, tarihin'ny filohan'ny Filankevi-pitantanana handray ilay fiaramanidina ATR72-600 faharoa hanatevina ny fiaramanidin'ity kaompania nasionaly ity, hisahana ny zotra anatiny sy amin'ireo nosy manodidina.
Raha tsy misy ny fiovana dia tokony ho tonga eto Madagasikara amin'ny 28 mey izao io fiaramanidina vaovao io. Hitohy any Torkia ny dian'ny delegasiona, hijery fiaramanidina Boeing 737-800 efa niasa, saingy hampiasain'ny Air Madagascar sady hofaina.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.