Mpandraharaha teratany karana iray, fantatra amin’ny anarana hoe Dally no maty notifirin’ny jiolahy nandritra ny fanafihana mitam-basy nitranga tao Ambinanikely Tolagnaro ny alakamisy 22 mey teo, tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany hariva.
Nambanan'ireo jiolahy basy ny mpiambina ary noteren’izy ireo hitarika azy any amin'ny toerana misy an'i «patron». Teo am-pijerena fahitalavitra indrindra i Dally no niditra tampoka ireo jiolahy sady nanapoaka basy nitakiana vola, tao anatin’izay no nahavoa ilay karana teo amin’ny fony. Vao azon’ireo jiolahy kosa ny vola dia nitsoaka izy ireo. Voalaza fa nisy finday sy kitapo ary basy poleta tavela tao amin'ny efitra nanafihana an’ilay karana.
OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.