Actualités

Fampahafantarana an’i Madagasikara Mihetsika ireo Malagasy mila ravinahitra any Sina


  • Talata 26 Mey 2015

Misikim-ponitra manao izay ho afany mampahafantatra an’i Madagasikara hisarihana ireo mpizahatany sinoa ho avy aty Madagasikara ireo Malagasy mila ravinahitra any an-toerana.

 

 Tafiditra ao anatin’izany ny fandraisana anjara amin’ny hetsika fampirantiana sy fivarotana ny asa tanana ary fampisehoana ara-javakanto karakarain’ny oniversite maro any Sina, izay tanterahina in-droa isan-taona any an-toerana. Anisan’ny firenena manana otrikarena maro ara-pizahantany i Madagasikara nefa tena mbola vitsy amin’ny teratany sinoa mahafantatra an’i Madagasikara sy ny toerana misy azy ary harena voajanahary mampiavaka azy. Amin’izao fotoana izao anefa dia i Sina no mitazona ny laharana voalohany maneran-tany, raha ny resaka fizahantany no resahina ary mampanan-karena izao tontolo izao ny mpizahatany sinoa. “Ny fahatsapanay Malagasy mipetraka sy monina ary mandranto fianarana aty Sina izany no manosika anay hifanentana mba handray anjara hatrany isaky ny misy hetsika ahafahana manasongadina sy mampahafantatra an’i Madagasikara”, hoy Rakotonanahary Nasolo, mpianatra manomana “Doctorat” momba ny “Tourism Management” any amin’ny “Nanjing University of Aeronautics and Astronautics”. Fantatra mantsy fa ny sehatry ny fizahantany no anisan’ny fototra mamelona ny toekarena Malagasy ka tsy azo hamaivanina fa tokony homen-danja.

Nangonin’i Jean D.




 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT