Actualités

Fanamboarana ny fefiloha fiherena Tsy misy ny vola, fampanantenana poakaty no betsaka


  • Talata 26 Mey 2015

Noho ny tsy fisian’ny asa fanamboarana hatramin’izao ny fefiloha Fiherena vokatry ny tsy fisian’ny famatsiam-bola, na dia teo aza ny fampanantenana samihafa nataon’ny filohan’ny repoblika sy ny praiminisitra roa farany nifandimby nandalo tany Toliara, amin’ny hanamboarana indray an’ity fefiloha ity, amin’ny alalan’ny fandoavana ny volan’ny orinasa nanamboatra ny fefiloha mirefy 1,4 km ravan’ny rivodoza Haruna ny febroary 2013, ka ny 70%-n’ny asa no vita tamin’io taona io, dia ahiana ho vaky indray ity fefiloha ity noho fahanteran’ireo fotodrafitrasa. Miaina ao anaty tebiteby ny vahoaka noho ny loza mitatao aminy satria afaka dimy volana dia ho avy indray ny fotoam-pahavaratra.

 



Ahiana ho vaky indray

Manoloana izany, mampiaka-peo ireo parlemantera any amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy ny mpitondra ao Toliara. « Antony ara-politika ve no tsy hanamboarana ny fefiloha Fiherena hatramin’izao sa olana ara-bola sa tsy misy vidiny amin’ny fanjakana ny ain’ny vahoakan’i Toliara ? ». Raha ny fanazavana azo, nandritra ny dimy taona nifanesy, novatsian’ny FER na ny Fond d’entretien Routier vola hatrany ny asa fanamboarana ity fefiloha ity, satria RIP 224 U. Gaga anefa ny rehetra nanomboka ny febroary 2013 no ho mankaty fa tsy nisy intsony ny famatsiam-bola satria, hono, tsy lalam-pirenena sy lalam-paritany. Raha ny loharanom-baovao, ny 6 mey lasa teo no nandefa taratasy tany amin’ny praiminisitra Jean Ravelonarivo ny tompon’andraikitry ny orinasa nampahafantatra ny olana misy.


Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT