• Alarobia 17 Jona 2015
Actualités.GRAND TOURNOI D’ANTSIRABE Efa vonona na mpikarakara na ireo mpandray anjara

Raha ny mikasika ny GRAND TOURNOI D’ANTSIRABE andiany faharoa karakarain’ny FFB Antsirabe sy ny 3FA Avaradrano izay hanomboka ny Alatsinainy 23 ka hatramin’ny sabotsy 29 aogositra 2015 any andrenivohitr’i Vakininakaratra dia tena efa ao anatin’ny fikarakarana ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao .Marihina fa nampitomboina ny isan’ny sokajy mandray anjara amin’izany dia ny sokajy 10 , 13 , 15 , 17 , 20 taona ary ny vehivavy ,

Hamaky ny tohiny
  • Talata 16 Jona 2015
Actualités.Mikorontana ny Air Madagascar Foana avokoa ny zotra rehetra

Nikatso tanteraka ny teny Ivato omaly tontolo. Tsy nisy ny fiaramanidin’ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar nandray fiaingana, araka ny vaovao voaray avy ao amin’ny foiben’ny fandrindrana ara-teknika eny an-toerana.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 16 Jona 2015
Actualités.Fitokonan’ny Air Madagascar Misy resaka vola amin’ny baoritra indray ?

Nisafotofoto tanteraka ny teny amin’ny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly alatsinainy 15 jona maraina. Tezitra tamin’ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar ireo mpandeha tonga teny an-toerana noho ny tsy nisian’ny zotram-pitaterana na ny hivoaka any ivelany na ny tokony ho nandeha tato anatiny noho ny fitokonana nataon’ny sendikan’ny mpiasan’ity zotram-piaramanidina ity.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 16 Jona 2015
Actualités.Antsirabe Miverina indray ny Rainizavona

Nahatrarana omby halatra indray tao Antsirabe ny alahady 14 Jona vao maraina tokony ho tamin’ny 5 ora. Itony antsoina hoe: “Rainizavona”, itony izany ka ny nofony fotsiny no alainy fa ny taolana ariany eo. Fisavana tampoka nataon’ny mpitandro ny filaminana tamina fiara mpitatitra no nahatrarana izany teo Antsapanimahazo teo amin’ny lalamby

Hamaky ny tohiny
  • Talata 16 Jona 2015
Actualités.Fanafihana nitam-basy tao Mahabibo Mahajanga Mitaky fitsaram-bahoaka ny mponina any an-toerana

Tratra tany Maevatanàna ny alin’ny alakamisy 11 jona teo ny olona 5 lahy tompomarika tamin’ny fanafihana mitam-piadiana nahafatesana olona 2 voan’ny “balle perdue” tao amin’ny ivontoerana fanakalozam-bola ana karana tao

Hamaky ny tohiny
  • Talata 16 Jona 2015
Actualités.Sampandraharahan’ny fananan-tany Nikatona tanteraka ny birao omaly

Tsy nisy asa nandeha teny amin’ny sampandraharahan’ny fananan-tany teny Anosy omaly, tsy nampihemotra ireo mpiasa ny taratasy avy amin’ny tompon’andraiki-panjakana fa dia niroso tamin’ny fitokonana faobe izy ireo omaly. Tonga teny amin’ny toeram-piasana ihany ireto mpiasan’ny fananan-tany ireto saingy tsy niasa fa dia nipetraka nitokona

Hamaky ny tohiny
FTT