Raha ny mikasika ny GRAND TOURNOI D’ANTSIRABE andiany faharoa karakarain’ny FFB Antsirabe sy ny 3FA Avaradrano izay hanomboka ny Alatsinainy 23 ka hatramin’ny sabotsy 29 aogositra 2015 any andrenivohitr’i Vakininakaratra dia tena efa ao anatin’ny fikarakarana ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao .Marihina fa nampitomboina ny isan’ny sokajy mandray anjara amin’izany dia ny sokajy 10 , 13 , 15 , 17 , 20 taona ary ny vehivavy ,
raha sokajy efatra ihany no nisy tamin’ny andiany voalohany. Maro ny antony izany dia eo ny fampihenana ny hosoka eo amin’ny taonan’ny mpilalao , eo ihany koa ny fahitana ny tsy fahampian’ny fifaninanana hataon’ireny sokajy zandriny ireny izay te-hifanerasera amin’ireo mpilalao tsy dia fahitany sy mahazatra ivelan’ny faritra misy azy. Na izany ary dia misy ny fiovana eo amin’ny fomba hanatanterahina ny fifaninanana mba hampiankarana ny haavo teknikan’ny mpandray anjara ka ny sabotsy 18 jolay sy ny alahady 19 jolay 2015 dia misy ny fifanitsanana savaranonando isaky ny faritra ka ireo sokajy tafavoaka amin’io fifaninanana io no miatrika an’ity « GRAND TOURNOI D’ANTSIRABE » andiany faharoa ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.