Actualités

Antsirabe Miverina indray ny Rainizavona


  • Talata 16 Jona 2015

Nahatrarana omby halatra indray tao Antsirabe ny alahady 14 Jona vao maraina tokony ho tamin’ny 5 ora. Itony antsoina hoe: “Rainizavona”, itony izany ka ny nofony fotsiny no alainy fa ny taolana ariany eo. Fisavana tampoka nataon’ny mpitandro ny filaminana tamina fiara mpitatitra no nahatrarana izany teo Antsapanimahazo teo amin’ny lalamby

 

. Raha ny fanazavana nomen’ny Ofisie Mana Jean, teo anivon’ny polisim-pirenena dia nosavaina tampoka vao maraina ny bus laharana faha-17 ka nahitana entana roa nampiahiahy. Nojerena ka nofon-kena fotsiny no tao, izay nilanja 15 sy 35 kilao. Notanana avy hatrany ireo roalahy tompon’ny entana. Rehefa noteren’ny polisy izy ireo dia nanoro ny toerana nanaovany ny asa ratsiny ka tao Soavazimba, fokontany Tsarafara kaominina Ambano no nangalarany ilay omby, ary fantatr’izy ireo tsara ny tompony satria vinanton’ilay ramatoa ny tovolahy iray nangalatra. Nentin'ny polisy tany amin'ny toerana namonoany ny omby moa izy ireo ka taolana sy ny taovan'ireo omby no sisa hita tao. Marihina fa mpirahalahy izy ireo.


Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT