Nikatso tanteraka ny teny Ivato omaly tontolo. Tsy nisy ny fiaramanidin’ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar nandray fiaingana, araka ny vaovao voaray avy ao amin’ny foiben’ny fandrindrana ara-teknika eny an-toerana.
Nisavoritaka
Tokony ho 12 no isan’ny sidina natao omaly kanefa dia tsy nisy niainga avokoa, anisan’izany ny nankany Sina izay tokony ho niainga tamin’ny 5 ora katroka. Ny sidina mankany Toliara moa dia in-telo no nanaovana vinavinan-jotra omaly tontolo andro fa tsy nisy tanteraka avokoa. Teo amin’ny faharoa saika hiaingan’ny sidina dia nilamina indray ny taty Antananarivo fa ny tany Toliara no tsy nety nandray ny fiaramanidina dia voatery nijanona. Saika halefa ihany koa ny sidina mampitohy an’Antsiranana sy Morondava saingy tamin’ny ora farany dia tsy tontosa. Raha bangoina tokana izany dia narahin’ny mpiasan’ny Air Madagascar 100% ny fiantsoana fitokonana nataon’ny mpitarika sendikaly. Mpiasa 4 izay mitarika ny fitokonana no nahazo taratasy fandroahana omaly, niaro tena izy ireo ary nilaza fa tsy rariny sady tsy ara-dalàna izany.Ankilan’izay anefa manizingizina ny tale jeneralin’ny Air Madagascar Atoa Haja Raelison fa tsy ara-dalàna io fitokonana ataon’ny mpiasan’ny Air Madagascar io ary efa namoaka taratasy milaza izany mihitsy omaly ny ministeran’ny asam-panjakana sy ny asa.
Fatiantoka goavana
Fatiantoka iray lavaka noho izany no mbola mahazo ny Air Madagasikara izay voatery mamerina ny volan’ireo mpandeha tsy latsaky ny 5 miliara ariary isan’andro no fatiantoky ny orinasa vokatr’izao fitokonana izao. Tsiahivina hatrany fa ny fitakiana ny fialan’ny minisitry ny Fitaterana, ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny orinasa, ny tale jeneralin’ny Air Madagascar sy ny ACM no mahatonga izao fitokonan’ny orinasa Air Madagascar izao. Ho an’ity taona ity dia potika tanteraka ny fandaharan’asa mikasika ny fizahantany izay nezahina hampidirana mpizahatany 300.000 izay sinoa no ankabetsahany. Tsy lazaina intsony ny famoanana ny zotra mihazo an’i Ste Marie izay handray ny « festival des baleines »izay efa nidiran’ilay mpanolotra fandaharana frantsay malaza Julien Lepers an-tsehatra.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.