Tsy nisy asa nandeha teny amin’ny sampandraharahan’ny fananan-tany teny Anosy omaly, tsy nampihemotra ireo mpiasa ny taratasy avy amin’ny tompon’andraiki-panjakana fa dia niroso tamin’ny fitokonana faobe izy ireo omaly. Tonga teny amin’ny toeram-piasana ihany ireto mpiasan’ny fananan-tany ireto saingy tsy niasa fa dia nipetraka nitokona
. Nanamafy izy ireo fa tsy hiverina hiasa raha tsy tanteraka ny fitakiana ka na mbola hisy indray aza ny taratasy avy any amin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany dia tsy hampiova hevitra azy ireo izany, manerana ny nosy moa izao fitokonana izao araka ny filazan’ireo mpiasa. Fitakian’ireo mpiasan’ny «fananan-tany ireto moa ny fakana ny hevitr’izy ireo ny amin’ny fandrafetana ilay politikam-pirenena momba ny fananan-tany, fa eo ihany koa ny fanafoanana ny didy tsy fahazoana mangataka sy mikarakara ny tanim-panjakana ary ny sata manokana mifehy azy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.