Tratra tany Maevatanàna ny alin’ny alakamisy 11 jona teo ny olona 5 lahy tompomarika tamin’ny fanafihana mitam-piadiana nahafatesana olona 2 voan’ny “balle perdue” tao amin’ny ivontoerana fanakalozam-bola ana karana tao
Ambovoalanana Mahabibo Mahajanga ny talata 9 jona 2015. Nentina ao amin’ny tobin’ny zandary ao Mahajanga be izy ireo. Nitangorona teo amin’io toby io rehefa nahafantatra izany ny havan’ilay olona maty voalaza ka nitaky ny hanatanterahan’izy ireo ny fitsaram-bahoaka amin’ireto olona 5 ireto. Mbola ao amin’ny Borigadin’ny zandary ao Mahajanga be moa ireo olona ireo izay ahitana Vazaha 1 sy Malagasy 4. Anisany amin’ireto farany ilay jiolahy nitifitra ka nahafaty ireo olona roa : lehilahy 70 taona izay havana minisitra am-perinasa sy mpitarika posy 1. Nisy tokoa ny korontana fitakiana teo anoloan’ny Brigade ny zoma nataon’ny fianakavian’ny maty hamoahana ireo jiolahy nitifitra tao Mahabibo saingy nanao fandaminana nampitony azy ireo ingahy minisitra. Anio talata 16 jona 2015 no tokony hatolotra ny fitsarana ireo voasambotra. Misy “ Agent pénitentiaire” anefa anisany amin’ireo jiolahy voasambotra ireo izay nanaovana fanambarana fikarohana nasionaly noho ny resaka fakana an-keriny sy fangalarana nataony tany Toamasina ka mbola andrasana toromarika avy aty Antananarivo ny momba azy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.