Actualités

Fitokonan’ny Air Madagascar Misy resaka vola amin’ny baoritra indray ?


  • Talata 16 Jona 2015

Nisafotofoto tanteraka ny teny amin’ny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly alatsinainy 15 jona maraina. Tezitra tamin’ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar ireo mpandeha tonga teny an-toerana noho ny tsy nisian’ny zotram-pitaterana na ny hivoaka any ivelany na ny tokony ho nandeha tato anatiny noho ny fitokonana nataon’ny sendikan’ny mpiasan’ity zotram-piaramanidina ity.

 

Nimenomenona ireo mpandeha fa tsy mba nisy fampilazana akory nataon’ity kaompania ity. Nitonantonana niaritra ny mafy teny an-tseranam-piaramanidina teny izy ireo, sady tsy nisakafo no very fotoana sy diso tetika tamin’ny fandaharam-potoana efa vita mialoha. Tsy nisy fanambarana nataon’ny mpitantana ny Air Madagascar raha tsy ny takariva nilazany fa foana ny zotra rehetra fa ny talata maraina dia ho karakaraina ny mpandeha rehetra. Tetsy an-kilany, na teo aza ny fisafotofotoana dia mbola nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ireto sendikan’ny mpiasan’ny Air Mad ireto ary nilaza fa tsy hihemotra velively amin’ny fitakiana ataony izy ireo na dia eo aza ny fampitahorana sy fandrahonana samihafa atao amin’izy ireo.

Misy ambadika hafahafa

Heno anefa tamin’ny fampitam-baovao hafa teny an-toerana fa misy ambadika hafahafa ity fitokonana ity fa misandoka ho « Commandant » ilay mafana fo mitarika izao fitokonana izao izay mahatonga ny fikatsoan’ny fifamoivoizana ana habakabaka eo anivon’ny Air Madagascar nefa dia « officier pilote » fotsiny izy hatreto. Efa tsy ny tombontsoan’ny vahoaka intsony, hoy ity loharam-baovao iray ity no takian’ireto sendikan’ny mpiasan’ny Air Madagascar ireto, indrindra ho an’ireo mpitarika azy fa efa nahazo volabe tamin’ny baoritra avy amina mpanefoefo efa zatra ny manaparitaka izany ry zareo. Toa manamarina ny fisiana fanakaramana olona voatokana hanakorontana sy hampisavorovoro ny ataon’ireo sasantsasany amin’ireo sendikan’ny mpiasa ireo rehefa nahazo fampanantenana izy ireo fa hahazo toerana ao amina orinasam-pitaterana ana habakabaka iray hafa.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT