• Zoma 03 Jolay 2015
Actualités.Fanarenana ireo fotodrafitrasa simban’ny tondra-drano Mijaly ny eny Atsimondrano, hoy ny depiote Voahangy

Mitaraina fatratra ny vahoaka eny Atsimondrano manontolo, hoy ny solombavambahoaka TIM Raharimanarivo Voahanginiaina voafidy teny amin’ity distrika ity

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 03 Jolay 2015
Actualités.FIKAMBANANA NOSY MIAVAKA Mila miverina amin'ny fivavahan'ny razambeny ny Malagasy

Krizy ara-pinoana no misy eto amintsika raha ny fahitan'ny fikambanana Nosy miavaka azy fa tsy krizy ara-toekarena na politika akory.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 03 Jolay 2015
Actualités.Sambava Roalahy tratra niaraka tamin’ny rongony 18 kg

wSambava Roalahy tratra niaraka tamin’ny rongony 18 kg Ny fihetsik’izy ireo no nahamahana ny mpitandro ny filaminana manao fisafoana harivariva tany Besopaka Sambava ny alarobia teo. Vao nahita ireto farany ireo lehilahy roa samy nibaby kitapo dia nitsoaka avy hatrany. Nanaitra ny mpitandro ny filaminana izay fihetsik’izy ireo izay ka dia nifanenjehana ary tratra izy roalahy, niaraka tamin’ny rongony 18kg efa vonona hamidy. Tamin’ny famotoran’ny zandary azy ireo no nahalalana fa avy any Antsirabe Nord – Vohémar no nakan’izy ireo ireo rongony ireo. Nodorana ampahibemaso omaly ny entana, anio kosa izy roalahy no hatolotra ny Fitsarana ao Sambava. Jean D.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 02 Jolay 2015
Actualités.ANTSIRABE II Mitotongana ny vidin’ny karaoty

Mitotongana ny vidin’ny karaoty ao Antsirabe amin’izao fotoana ka velon-taraina ny tantsaha mpamboly. Ny ao amin’ny distrikan’Antsirabe faharoa no mahatsiaro ho lasibatra amin’izany

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 02 Jolay 2015
Actualités.Masoivohon’i Etazonia Aoka hohajaina ny lalàmpanorenana

Voalohany tato anatin’ny enin-taona no nankalazaina teny amin’ny trano fonenan’ny masoivohony eny Ambaranjana ny fetim-pirenena Amerikanina. Naroso omaly ny fanamarihana ny faha-239 nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia, izay atao ny 4 jolay raha ny tena izy

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 02 Jolay 2015
Actualités.Raharaha Air Madagascar Mpiasa 6 indray no hiakatra fitsarana anio

Fanomezana taratasy fiantsoana sy fampahafantarana ny ho tohin’ny raharaha no nataon’ny polisy ekonomika ireo mpanamory 5 sy teknisianina 1 avy ao amin’ny Air Madagascar omaly fa tsy nisy ny fakana am-bavany

Hamaky ny tohiny
FTT