• Zoma 16 Jona 2017
Actualités.Olom-pirenena ankehitriny Te hampandini-tena mpitondra, hoy VaMi

Te hampandini-tena ny mpitondra ankehitriny ireo olom-pirenena tsy manangan-tsaina, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko VAMI (Vahoaka miray), Vakiniadiana Gaby, raha naneho ny heviny mikasika ny antony maha vitsy ireo sainam-pirenena mitsangana isan-tokantrano amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 16 Jona 2017
Actualités.Lalao Ravalomanana Misy mampijabaka

Maro ireo trangan-javatra miseho eto Antananarivo, izay manaratsy endrika ny fomba fitantanana ao amin'ny tanànan'Antananarivo, misy amin'izy ireny no fanaratsiana miendrika politika, kanefa koa dia misy dia misy ny tranga tena hita porofo fa vokatry ny tandrametaka na fanaparam-pahefana ataon'ireo tandapa sasany izay mandoto ny anaran'ny Ben'ny tanàna Lalao Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 16 Jona 2017
Actualités.Didim-pitsarana Efa azo lavina sy tsy tanterahina?

Efa zary fomba amam-panao raiki-tapisaka eto amin’ny firenena ity tsy fanatanterahana didim-pitsarana ity.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 16 Jona 2017
Actualités.Hetsika Olom-Pirenena Entanina Hiady amin’ny kolikoly

Nampahafantarina omaly alakamisy 15 jona tetsy amin’ny American center Tanjombato ny fitsanganan’ny fikambanana Hetsika Olom-Pirenena Entanina (H.O.P.E). Ireo tanora mpitarika miisa 46 ao amin’ny andiany faha-12 an’ny Centre d’Etudes Diplomatiques et Strategiques de Madagascar (C.E.D.S) raha ny fanazavan’ny masoivoho amerikanina miasa eto amintsika, Robert Yamate, izay sady mpiahy ny andiany no nanapa-kevitra hamorona azy ity.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 15 Jona 2017
Actualités.Tsenan’Asosizato Atsinanana Lehilahy 1 mitaky vola tsy ara-drariny

Misy tsy mazava ny resaka fitakiana vola amin’ny mpivarotra eny amin’ny Tsena Fifankatiavana eny Anosizato Atsinanana raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny fokontany.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 15 Jona 2017
Actualités.Aferana solika 375 tapitrisa ariary Nisy nitory i Elysée Ratsiraka

Araka ny vaovao nivoaka omaly, dia nandefasan’ny polisy fampiantsoana ny Ben’ny tanànan’i Toamasina voalohany avy amin’ny antoko MAPAR, Elysée Ratsiraka.

Hamaky ny tohiny
FTT