Actualités

Lalao Ravalomanana Misy mampijabaka


  • Zoma 16 Jona 2017

Maro ireo trangan-javatra miseho eto Antananarivo, izay manaratsy endrika ny fomba fitantanana ao amin'ny tanànan'Antananarivo, misy amin'izy ireny no fanaratsiana miendrika politika, kanefa koa dia misy dia misy ny tranga tena hita porofo fa vokatry ny tandrametaka na fanaparam-pahefana ataon'ireo tandapa sasany izay mandoto ny anaran'ny Ben'ny tanàna Lalao Ravalomanana.

Tranga iray amin’izany  ny miseho ao amin'ny tsena fivarotana Look's eny Andravoahangy. Io tsena io dia olona iray no nahazo ny taratasy ara-dalàna avy amin'ny CUA hampiasa ny tany, efa hatramin'ny taona 1988 ary nahazo ny fankatoavan'ireo mpitondra ny tanànan'Antananarivo nifandimby, misy porofo ara-taratasy avokoa izany, ary nahaloa hetra hatramin'izay io mpampiasa ara-dalàna io. Nisy anefa tandapa iray ao amin'ny CUA namoaka taratasy sandoka nilaza fa tsy ara-dalàna intsony ny taratasin'ilay nampiasa ny tsena hatramin'izay fa dia namany olon-kafa izay nifanaraka manokana taminy no nasolony azy. Ny mahavariana dia tsy nisy fampandrenesana mivantana an-tsoratra ilay tompon'ny taratasy ara-dalàna, fa dia ireo mibodo ny tsena amin'izao fotoana izao no niditra an-keriny ary nanambara fa azy ireo tsena, izay marihina fa nanapitsoka varavaran’ny tsena ny  alatsinainy 14 novambra 2016. Nanatona  nifampiresaka tamin'ny tompon’andraikitra tao amin'ny lapan'ny tanàna ilay mpampiasa ny tsena ara-dalàna satria tsy te handoto ny anaran'ny Ben'ny tanàna. Voaporofo tao fa ara-dalàna sy tsy misy azo kianina ny taratasin'ilay tena mpampiasa ny tsena ara-dalàna ary voaporofo ihany koa fa mpisandoka ireo mibodo ny tsena ankehitriny. Fantatra fa nisy “fraudes fiscales” nataon’ilay olom-baovao mpibodo tany nananany récépissé de declaration fiscales 2013-2014-2015-2016-2017 nefa dia nahazo rariny noho ny nafitsoky ny tandapa izay hita mibaribary mihevitra azy ho manao lalàna ao amin’ny Cua ao. Ny mahatsikaiky koa ny amin’ireo izay mibodo ny tsena dia manaraka ny finoana advantista kanefa mivarotra kisoa. Tena tonga amin’ilay fitenenana hoe : misy mpamosavy malemy tafiditra ao an-tanàna ity trangan-javatra ity.

 


 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT