Actualités

Hetsika Olom-Pirenena Entanina Hiady amin’ny kolikoly


  • Zoma 16 Jona 2017

Nampahafantarina omaly alakamisy 15 jona tetsy amin’ny American center Tanjombato ny fitsanganan’ny fikambanana Hetsika Olom-Pirenena Entanina (H.O.P.E). Ireo tanora mpitarika miisa 46 ao amin’ny andiany faha-12 an’ny Centre d’Etudes Diplomatiques et Strategiques de Madagascar (C.E.D.S) raha ny fanazavan’ny masoivoho amerikanina miasa eto amintsika, Robert Yamate, izay sady mpiahy ny andiany no nanapa-kevitra hamorona azy ity.

Dimy ny laharam-pahamehan’ny fikambanana dia ny hampandray andraikitra ny olom-pirenena, ny ahatonga ireo antontan’isa misy hisokatra ho an’ny olom-pirenena rehetra, ny hisian’ny fitantanam-bola mangarahara, ny hahatontosa ireo raharaham-bahoaka ary ny fahazoan’ny rehetra vaovao malalaka. Ny tahala iraisam-pirenena ho an’ireo mpandala ny fanavaozana  any amina firenena miisa 75 izay efa nahavita nanery ny mpitondra eo aminy avy hanaiky fa hampiroborobo ny mangarahara, hampivoatra ny olom-pirenena, hiady amin’ny kolikoly ary hifehy ireo teknolojia vaovao hanamafisana orina ny fahaiza-mitantana moa, raha ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana, Williamson Razafindrano, no nanainga ny fanahin’izy ireo hanangana ny H.O.P.E. Anisan’ireo mpanolotsaina ao anatin’ny H.O.P.E moa ny filoha tale jeneralin’ny vondron’orinasa Vidy Varotra, izay misy ny gazety Tia Tanindrazana, Tahiana Razafinjoelina.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT