Araka ny vaovao nivoaka omaly, dia nandefasan’ny polisy fampiantsoana ny Ben’ny tanànan’i Toamasina voalohany avy amin’ny antoko MAPAR, Elysée Ratsiraka.
Nisy nametraka fitoriana momba ny raharaha sy fitantanana tsy mazava izy raha ny loharanom-baovao azo, saingy tsy fantatra mazava hatreto hoe ny avy ao amin’ny kaominina, toy ny mpanolotsaina monisipaly ve no nitory sa olona avy tany ivelany mihitsy ? Resaka fanodinkodinana solika mitentina hatrany amin’ny 375 tapitrisa Ariary kosa no vesatra sy antony nampanantsoina azy. Samy miandry izay ho tohin’ny tantara ny rehetra. Marihina fa ben’ny tanàna avy amin’ny vondrona MAPAR ity ben’ny tanàna ity ary efa nisedra olana maro tamin’ny fitantanana ny renivohitr’i Betsimisaraka noho ny tsy fifankahazoana tamin’ny fanjakana foibe. Raha somary nilamindamina ny fitantanany ny tanàna tato ho ato, dia miseho indray ny olana mahasaringotra azy, ka tsy hay na ho afa-bela ny tenany na ho mety hidoboka am-ponja amin’ity raharaha ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.