Actualités

Didim-pitsarana Efa azo lavina sy tsy tanterahina?


  • Zoma 16 Jona 2017

Efa zary fomba amam-panao raiki-tapisaka eto amin’ny firenena ity tsy fanatanterahana didim-pitsarana ity.

Tsy norarahiana mandrak’ankehitriny ny fanatanterahana ny didim-pitsarana mamerina ireo mpiasa teo anivon’ny orinasa Air Madagascar amin’ny asany, izay ahitana an-dry Rado Rabarilala. Mampiaka-peo ihany koa ireo mpiasa mpibata entana miisa 43, izay voalaza fa noroahina tamin’ny asany efa ho 5 taona lasa izay. Voalaza ihany koa fa efa nisy ny didim-pitsarana mamerina ireo sisa velona amin’ny asany saingy iniana hikipiana sy tsy rarahiana. Efa miditra an-tsehatra mihitsy ny Sendikan’ny Tatsambo (SYGMMA) sy ny Federasionina iraisam-pirenena miaro ny tantsambo (ITF), saingy iniana tsy rarahiana izany. Ny fanjakana no tena mpanome leson-dratsy amin’ny tsy fanatanterahana didim-pitsarana eto amin’ny firenena. Zary vitavita ho azy izany ary miitatra hatrany, ka efa ireny niaraha-nahita ireny ny afitsoky ny loholona sy ny depiote, ary ny ben’ny tanàna, ary ny sendikan’ny Mpitsara aza efa nampiaka-peo. Mipetraka hatrany ny fanontaniana hoe natao ho an’iza ny lalàna? Rehefa inona no azo lavina sy tsy tanterahina ny didim-pitsarana? Toa efa fanomezana leson-dratsy ny rehetra ny zava-misy ary toa midika mihitsy fa azo lavina sy toerina ny didim-pitsarana satria ny mpitondra eto amin’ny firenena mihitsy no lohalaharana amin’izany. Hampanjakaina eto mihitsy ny fanjakana loham-boto sy ny fanjakan-jiolahy, ka rehefa ny manam-pahefana no manda sy mitarika ny tsy fanekena ny didim-pitsarana na fampiharan-dalàna na ny fandikan-dalàna tsotr’izao, dia toa vitavita raha dinihina amin’ny raharaha Riana Andriamandavy avy any Fianarantsoa sy ny Loholohana Andrianjaka Goulzar, izay efa nohitsian’ny SMM, fa nanitsakitsaka ny hasin’ny fitsarana, saingy tsy mbola voahenjiky ny lalàna aloha hatreto.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT