Misy tsy mazava ny resaka fitakiana vola amin’ny mpivarotra eny amin’ny Tsena Fifankatiavana eny Anosizato Atsinanana raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny fokontany.
Tao anatin’ny 4 taona no nisian’ny lehilahy iray antsoina hoe Bota milaza ho mpiasan’ny fivondronana, ka mitaky vola 200Ariary isaky ny mpivarotra manodidina ny 400 isa, raha ny fanazavan-dRandrianjatovo Jean Michel. Raha atao ny kajikajy, hoy izy dia 11 tapitrisa ariary tany ho any ny vola azony tao anatin’izay 4 taona izay. Raha ny fanazavany hatrany anefa dia tsy mampiseho fahazoan-dàlana na « Badge » izy io, fa mitonona ho mpiasan’ny fivondronana fotsiny ary manao didin’ny be sandry, ka mihorohoro ny mpivarotra. Rehefa nandeha ny fifamaliana teo amin’ity Bota ity sy ny mpivarotra ary Randrianjatovo Jean Michel amin’ny hamoahan’ity farany ny marina momba ny fahatsapany fa misy resaka fisolokiana, dia niteny indray io Bota io ny mba tsy hamoahana ny vaovao, ary nilaza mihitsy i Jean Michel fa vavolombelon’izany ny Lehiben’ny tsena vaovao, izay hisaorana manokana. Isaorana ihany koa ny delegen’ny Firaisana faha-4 sy ny lehiben’ny tsena vaovao noho ny fiaraha-miasa manadio ao amin’ny firaisana faha-4, hoy izy. Mitaky ny hisamborana io lehilahy antsoina hoe Bota io sy ny hanaovana fanadihadiana lalina ny mpivarotra, araka ny nambaran’i Jean Michel hatrany. Nilaza moa ity farany fa mety misy tambajotra mihitsy izy io, ka ny anaran’ny kaominina mihitsy no tadiavina holotoina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.