• Talata 12 Desambra 2017
Actualités.Mamy Ravatomanga Mananontanona ny fisamborana…

Herinandro katroka anio talata no nivoahan’ny didy tsy fahafahana mivoaka ny firenena na IST ho an’ilay mpandraharaha Malagasy Mamy Ravatomanga,

Hamaky ny tohiny
  • Talata 12 Desambra 2017
Actualités.Adin-dRalitera A sy ny AV7 Amin’ny 28 desambra ny didim-pitsarana

Tontosa omaly alatsinainy 11 desambra ny fitsarana ny fitoriana nataon-dRalitera Andrianandraina tamin'ny nigiazan'ny fanjakana ny kaonty tahiriny any amin’ny banky noho ny antony hanonerana ny onitra 639 tapitrisa ariary amin’ny fikambanana AV 7.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 12 Desambra 2017
Actualités.Itaosy Cité Sprinter 2 may kila forehitra

Fiara marika Sprinter roa no nirehitra teny amin’ny Parking eny amin'ny "Cité des assureurs" Itaosy omaly maraina.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 12 Desambra 2017
Actualités.Ankatoky ny fety 3.500 ireo ankizy notoloran’ny vadin’ny filoha fanomezana

Ankizy marary sy sahirana ara-pivelomana miisa 230 isa omaly, no notoloran-drtoa Voahangy Rajaonarimampianina, vadin’ny filoham-pirenena, fanomezana, amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 12 Desambra 2017
Actualités.Morondava May kila forehitra ny SOPEMO

May kila forehitra ny orinasa SOPEMO (Societe de Pêcherie de Morondava) mpanodina hazan-dranomasina ao Morondava omaly. Raha ny fampitam-baovao vonjimaika avy any an-toerana, dia fifampikasohan’ny herinaratra na “court circuit” tao amina “vestiaire” iray no niantombohan’ny afo, ka nampirehitra ny orinasa manontolo.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 12 Desambra 2017
Actualités.Mpianatra eny Ankatso Manambana hitokona indray

Nanambana hitokona indray ny mpianatr’Ankatso omaly. Toy ny mahazatra dia ny olana eo amin’ny vatsim-pianarana hatrany no antony.

Hamaky ny tohiny
FTT