Actualités

Mamy Ravatomanga Mananontanona ny fisamborana…


  • Talata 12 Desambra 2017

Herinandro katroka anio talata no nivoahan’ny didy tsy fahafahana mivoaka ny firenena na IST ho an’ilay mpandraharaha Malagasy Mamy Ravatomanga,

  tompon’ny vondron’orinasa Sodiat raha ny loharanom-baovao azo. Misy afera maro mahasaringotra azy momba ny fahazoany ny harembeny na eto an-tanindrazana na any ivelany, ka heverina fa noho izay no mety ho antony. Ny 8 aogositra 2017 dia efa nisy ny fisavana nataon’ny solontenan’ny fampanoavana eto Antananarivo sy ny avy any Parisy, ary ny SAMIFIN ny trano fonenany teny Ambohibao Amboaroy sy ny teny amin’ny foiben’ny orinasa SODIAT ao amin’ny Villa Pradon Antanimena. Antony iray goavana ny fananany trano lehibe any Frantsa, izay heverin’ny frantsay fa harena azo tamin’ny fomba maloto. Tsy any ihany fa hatrany Dubai, Suisse, Maorisy, Chine… no voalaza fa misy orinasa najorony na koa hametrahany ny volany. Efa voatonona tao anatin’ny raharaha “Panama Papers” na ireo olona manafina na mamotsy vola amin’ny alalan’ny fananganana orinasa tsy miasa akory i Mamy Ravatomanga. Nangingina ny fanadihadiana momba ny raharaha mahasaringotra azy, saingy tombanana ho niasa mangina sy nanangona porofo ny manampahefana, indrindra ny polisy sy ny fitsarana frantsay, izay niara-niasa tamin’ny teto Madagasikara. Tsara homarihana fa tena nisy fiovana ny politikan’ny Frantsay amin’ny fifandraisany amin’i Afrika hatramin’ny nahalanian’i Emmanuel Macron ka tsy manaiky ny hampialokaloka olona manao fandraharahana tsy mazava na nahazo harembe tamin’ny fomba hafahafa ary nanokatra fanadihadiana maro isan-karazany mahakasika mpitondra Afrikanina teo aloha na ny fianakaviany, mombana mpanao politika sy mpandraharaha ihany koa.

Hogiazana ny fananany ?

Mety hiafara amin’ny fisamborana azy na fanagiazana ny ampahan’ny fananany voasokajy ho azo tamin’ny fomba maloto ny raharaha raha ny tsiliantsofina re. Mety ho sahirana tanteraka i Mamy Ravatomanga satria na ny fanjakana eto an-toerana na ny avy any ivelany, dia efa samy manenjika sy nanokatra ny fanadihadiana mikasika ny firoborobon’ny harem-be mampiahiahy ananany. Efa notsongolohan’ny mpanao gazety atsy amin’ny Nosy La Réunion, ohatra, ny tsenam-barotra momba fanondranana vato nanamboarana lalambe migodana manaraka ny sisin-dranomasina any an-toerana, izay tsy mazava ny antso tolo-bidy nahazoany azy. Mahavalalanina sy nampametra-panotaniana ny maro ihany koa ny nahafahany nanangana hotely goavam-be sy tena raitra dia ny Azura Hotel any Foulpointe tampotampoka tao anatin’ny tetezamita, kanefa ny firenena aza tao anaty krizy. Ny mpandraharaha rehetra sempotra sy tena potika tanteraka fa ny an’i Mamy Ravatomanga kosa nandeha soa aman-tsara tsy nisy sakantsakana ny aferany. Anisan’ny voatonona tamina raharaha fanondranana boaderozy ihany koa ny tenany tamin’ireny fotoanan’ny tetezamita ireny. Matoa nivoaka indray ny didy tsy fahafahany mivoaka ny firenena, dia misy ny fanadihadiana tsy maintsy atao aminy ka apetraka ny fepetra tsy hahafahany mandao ny firenena, raha toa ka manana eritreritra hitsoaka ny fanadihadiana izy.


 Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT