Actualités

Ankatoky ny fety 3.500 ireo ankizy notoloran’ny vadin’ny filoha fanomezana


  • Talata 12 Desambra 2017

Ankizy marary sy sahirana ara-pivelomana miisa 230 isa omaly, no notoloran-drtoa Voahangy Rajaonarimampianina, vadin’ny filoham-pirenena, fanomezana, amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao.

 

Anisan’ireny ireo zaza tsy salama miisa 55 manaraka fitsaboana eo anivon’ny hopitalin’ny reny sy ny zaza etsy Tsaralalàna. Toraka izany koa ireo 66 isa tazonina etsy amin’ny hopitalin’ny reny sy ny zaza etsy  Ambohimiandra ary ireo 125 mianadahy zanak’olona sahirana ara-pivelomana tezaina sy beazina eo anivon’ny ivontoerana “Graine de bitumen” etsy Ambanidia. Kilalao, menaka, savony, ronono, vary… no natolotra azy ireo. Tonga nisolotena ny vadin’ny filoha nanatitra ny fanomezana, ny vadin’ny Minisitry ny indostria, Rtoa Tazafy Brigitte. Nambaran’ity farany fa ny mba hanamaivanana ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano amin’ny fiatrehana ny fety no tanjona, sady hamalifaliana ireo ankizy madinika ihany koa. Efa tafakatra 3.500 hatreto ny isan’ireo ankizy madinika notoloran’ny vadin’ny filoha fanomezana. Tafiditra ao anatin’izany ireo ankizy manana fahasembanana beazina eny anivon’ireo ivontoerana maro samihafa, toy ny AKAMA etsy  67 ha, ny Orchidée Blanche etsy Androhibe…

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT