Actualités

Adin-dRalitera A sy ny AV7 Amin’ny 28 desambra ny didim-pitsarana


  • Talata 12 Desambra 2017

Tontosa omaly alatsinainy 11 desambra ny fitsarana ny fitoriana nataon-dRalitera Andrianandraina tamin'ny nigiazan'ny fanjakana ny kaonty tahiriny any amin’ny banky noho ny antony hanonerana ny onitra 639 tapitrisa ariary amin’ny fikambanana AV 7.

Tsy mitombina io fanagiazana io, hoy ny mpiaro an-dRalitera A ka lohahevitra telo no naroso manoloana ny fitsarana omaly. Voalohany aloha eo amin’ny lafiny maha olona dia “compte epargne” izany hoe vola tahiry miantoka ny fiainana, fanafody ary ny fianaran’ny ankizy izy io. Faharoa, raha araka ny lalàna, dia efa tsy misy idiran-dRalitera Andrianandraina intsony ny raharaha 7 febroary ary voaporofo ara-pitsarana izany ka nahoana izy no takiana handoa onitra. Fahatelo, nahoana no efa mangataka onitra any amin’ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy (CFM) nisolo toerana ny FFM teo aloha ny fikambanana AV7 kanefa mbola mangataka onitra any amin’ny fitsarana ihany koa ? Zavatra efa tsy tokony hitranga intsony izany satria ny CFM irery no misahana resaka fampihavanam-pirenena sy ny fanonerana ireo olona voaporofo fa nitondra faisana noho ny krizy nisy teto amin’ny firenena. Hivoaka ny 28 desambra izao ny didim-pitsarana ka ho hita eo na afaka hifety ny faran’ny taona amin’ny vola tahiriny Ralitera Andrianandraina na hipitrapitra fotsiny satria najifa ny vola rehetra any amin’ny banky fa lasan’ny AV7.


 RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT