Fiara marika Sprinter roa no nirehitra teny amin’ny Parking eny amin'ny "Cité des assureurs" Itaosy omaly maraina.
Araka ny fanazavana vonjimaika, dia ilay fiara tao aoriana no nisy tsy fetezana ara-teknika niteraka "court circuit" ka nirehitra ary niitatra tamin'ilay fiara teo anoloany. Tonga teny an-toerana ihany ny mpamojy voina, saingy efa naman’ny tsy avotra intsony ireo fiara, izay kila forehitra tanteraka. Nisy avy hatrany ny fanadihadiana nosokafan’ny zandary satria mampiahiahy ny zava-nitranga noho ny fiara roa may teo amin’ny toerana mitovy. Tsy nisy azon’ny rehetra natao fa ny nanampy tamin’ny fanakisahana ireo fiara teo amin’ny manodidina no nataon’ny olona sasantsasany. Na izany aza dia tsikaritra ho nihenahena ny ankamaroan’ny olona, izay toa mampiseho ny tsy fisian’ny firaisankina sy ny tsy fifamonjena intsony, raha ny fanamarihan’ny olona sasany. Nanano sarotra ny toe-draharaha satria tampoka ny loza, ary tsy hitan’ny rehetra intsony izay horaisina, fa dia nijery no nataon’ny ankamaroan’ny nanatri-maso.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.