Nanambana hitokona indray ny mpianatr’Ankatso omaly. Toy ny mahazatra dia ny olana eo amin’ny vatsim-pianarana hatrany no antony.
Vatsim-pianarana 4 volana amin’ny 9 volana no tsy naloan’ny Fanjakana, raha ny fanazavan’ireo mpianatra mpitari-tolona. Manome 48 ora ny fanjakana ireo mpianatra. Anisan’ny nomen’izy ireo io fe-potoana io ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny fampianarana ambony. Tsy vitan’izay, angatahan’ireto mpianatra koa ny fe-potoana hamaritana ny handoavana io vatsim-pianarana io, indrindra, ny hirotsahan’io vola io ao anatin’ny kitapom-bolan’ny oniversite. Notsiahivin’ny solontenan’ny mpianatra fa efa nisy ny fampanantenana tamin’ny fiverenan’ny fampianarana ny 20 novambra, taorian’ny fihanaky ny valanaretina pesta ireny, saingy tsy mbola tafiditra ao anatin’ny kitapom-bolan’ny oniversite hatramin’izao. Raha ny tokony ho izy, efa nivoaka tamin’io daty io ny tetiandro amin’ny fandraisana ny vatsim-pianarana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.