May kila forehitra ny orinasa SOPEMO (Societe de Pêcherie de Morondava) mpanodina hazan-dranomasina ao Morondava omaly. Raha ny fampitam-baovao vonjimaika avy any an-toerana, dia fifampikasohan’ny herinaratra na “court circuit” tao amina “vestiaire” iray no niantombohan’ny afo, ka nampirehitra ny orinasa manontolo.
Isan’izany ny “chambre froide”, fitahirizana ireo hazan-dranomasina antonona hatrany amin’ny 120 taonina. Nifarimbona ny mpamonjy voina avy amin’ny Kaominina, ny Adema, ny BNGRC, saingy tsy nahavohoka firy, ary isan’ny olana lehibe ny tsy fahampian’ny rano. Tsy lavitra ity orinasa may ity ny toeram-panatobiana solika ao an-toerana, izay 20 metatra eo ho eo, ka ny fitsoaky ny rivotra no tsy nahamay azy. Raha sanatria kosa ka voakasika io toby fitehirizan-tsolika na “logistique pétrolière”, dia tsy maintsy nipoaka, ka hatrany amin’ny 20 km manodidina no potika sy rava. Hororoho sy hatairana noho izany ny an’ny olona tao Morondava noho ny fisian’ny fahamaizana ity. Ho an’ireo mpiasan’ny SOPEMA, kosa dia very asa tanteraka izany aloha manomboka eto mandra-pahitana vahaolana. Raha tsiahivina ny tantara, dia 3 taona katroka omaly 11 desambra ihany koa no nahamay ny orinasa fanamboarana siramamy tany an-toerana noho ny savorovoro nisy teo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa. Tsy hay aloha na fifandrifian-javatra ihany izao na ahoana. Telo izany hatramin’izao ireo orinasa may tao an-toerana, ka ny roa tamin’ireo dia ny SUCOMA sy ny JIRAMA no niniana nodorana, raha to aka may tsy nahy kosa ny SOPEMO, raha ny tatitra vonjimaika omaly.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.