• Sabotsy 06 Janoary 2018
Actualités.Raharaha Houcine Arfa Ho avy ny ampamoaka goavana

Tsy mbola nandrenesam-peo momba ilay teratany Frantsay tafatsoaka ny fonja ary voalaza fa efa any Paris Frantsa hatramin’izao na ny ministeran’ny fitsarana, na ny mpitandro filaminana misahana ny sisin-tany , na ny ministeran’ny raharaham-bahiny Malagasy.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 05 Janoary 2018
Nitombo hery ny rivodoza AVA Haherin’ny 100 km.ora ny tafio-drivotra hoentiny

Tany amin'ny 210 Km Avaratra Atsinanan'i Toamasina no nisy ny foiben’ilay rivodoza “Ava” Omaly 04 janoary tamin’ny 06 ora hariva. Mizotra miankandrefana hatrany izy amin'ny hafaiganam-pandeha 10 Km/ora. Mihamanatona ny morontsiraka Atsinanan'i Madagasikara, ka manodidina eo amin'ny 105 Km/ora ny rivotra entiny ary mety hihoatra hatramin'ny 140 Km/ora ny tafiotra miaraka aminy.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 05 Janoary 2018
Actualités.Olana ara-tany any Toamasina Vaky ny ady eo amin’ny Katolika sy ny Fanjakana

Tao anatin’ny 5 taona no nitady vahaolana mikasika ny olana ara-tany sedrain’ny fikambanana eo ambany fitantanany ny Fiangonana Katolika aoToamasina, noho ny fibodoan’ity tovolahy iray ity ny tany nahazoan’izy ireo alalana mazava sy vao noavaozina izay nosoniavin’Atoa Rakotovao Rivo tamin’izy minisitry ny fambolena ny 10 aogositra 2017, saingy hatramin’izao dia tsy hita izany ary vao mainka aza miha lalina noho ity tovolahy ity mirehareha ho manana namana mpitsara sy sakaizana mpitandro ny filaminana ary milaza koa fa zanaky ny mpiasan’ny minisiteran’ny fambolena teo aloha.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 05 Janoary 2018
Actualités.Fiainana mpanakanto Nisaraka i Big Mj sy Arnaah

Enin-taona niarahana ary nivady tao anatin’ny herintaona ireo mpanakanto roa Big Mj sy Arnaah, saingy nisaraka amin’izao fotoana izao. Ny alin’ny alarobia teo I Big Mj no nanao fanambarana tamim-pomba ofisialy tao anatin’ny kaonty Facebook’ ny momba ity vaovao ity.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 04 Janoary 2018
Actualités.Houcine Arfa Mersenera saika hamono ny Filoha ?

Efa tafatsoaka any Lafrantsa ilay teratany Frantsay 54 taona antsoina hoe Houcine Arfa Yerres sy Marie-Claude vadiny amin’izao fotoana izao, raha ny vaovao navoakan’ny fampahalalam-baovao Frantsay France-Ouest. Voaheloka 3 taona higadra an-tranomaizina nanomboka ny 23 novambra 2017 teo i Houcine Arfa noho ny fisandohana andraikitra, raharaha fakana an-keriny, fitazomana fitaovam-piadiana tsy nazahoana alalana, ary tafiditra tao anaty tambajotran-jiolahy ihany koa.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 04 Janoary 2018
Actualités.Hahery vaika ny rivodoza “AVA” Tsy dia rototra anefa ny fanjakana

Nivadika ho rivo-doza ilay andro atsy izay miforona ao amin’ny oseana indiana. « AVA » no anarana hiantsoana azy. Tany amin'ny 365 Km Avaratra Atsinanan'ny Sainte Marie no nisy azy omaly 03 janoary tamin'ny 04 ora hariva. Manodidina ny 75 Km/ora ny rivotra entiny ary tafiotra 105 Km/ora. Araky ny vinavina dia mbola hitombo hery izy mialohan'ny hidirany an-tanety eo avaratry Toamasina ny marainan'ny rahampitso 05 Janoary 2018.

Hamaky ny tohiny
FTT