Tsy mbola nandrenesam-peo momba ilay teratany Frantsay tafatsoaka ny fonja ary voalaza fa efa any Paris Frantsa hatramin’izao na ny ministeran’ny fitsarana, na ny mpitandro filaminana misahana ny sisin-tany , na ny ministeran’ny raharaham-bahiny Malagasy.
Nilaza ho tsy afaka ny mbola hiresaka aloha ireo tompon’andraikitra nanontaniana.Fa inona marina ary no tena ao ambadik’ity raharaha Houcine Arfa ity ? Ny efa azo antoka aloha dia nifanerasera tamin’ny fiadidiana ny Repoblika izy ary nisy fotoana dia nanofana ireo mpiambina ny filoham-pirenena .Tsy olonolom-poana noho izany i Houcine Arfa matoa tafiditra ao an-dapa ary miandraikitra ny fampianarana sy fanofanana ny mpiambina manokana ny filoham-pirenena.Iza marina ny olona nahita azy sy nitondra azy teto Madagasikara, ary inona marina no tena anton-dia na ny antony niantsoana azy ? Io no mahaliana ny maro satria mazava ny resaka izao tena misy zavatra hafa ao ambadik’ity raharaha ity ary tsy maintsy misy ny olona ambony eto amin’ny firenena tafiditra ao anatin’izany ; tena nisy tokoa ve ireo ambara fa teratany vahiny roalahy niraka taminy ka nambara fa efa tsy hita popoka ihany koa ? Misy mantsy ireo olona manodidina ny filoham-pirenena no efa tena malaza ratsy, voatonotonona amina afera manjavozavo ka mety ho anisan’izany koa ve ny raharaha Houcine Arfa ; re fa hisy ny ampamoaka mety ho ataon’ity teratany Frantsay tafatsoaka ny fonja ity ka hanambarany ny tena marina momba ny nataony teto Madagasikara sy ny zava-nitranga taminy ary mazava ho azy fa hisy ny anarana hivoaka avy amin’izany.Tsara ho marihana fa tsy nosamborina ary tsy nampidirina am-ponja tamin’ny fahatongavany tany Frantsa i Houcine Arfa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.