Tany amin'ny 210 Km Avaratra Atsinanan'i Toamasina no nisy ny foiben’ilay rivodoza “Ava” Omaly 04 janoary tamin’ny 06 ora hariva. Mizotra miankandrefana hatrany izy amin'ny hafaiganam-pandeha 10 Km/ora. Mihamanatona ny morontsiraka Atsinanan'i Madagasikara, ka manodidina eo amin'ny 105 Km/ora ny rivotra entiny ary mety hihoatra hatramin'ny 140 Km/ora ny tafiotra miaraka aminy.
“Forte tempête tropicale” ny sokajy misy azy, ary mety ho lasa “Cyclone Tropical” izy mialohan'ny hidirany an-tanety ao amin’ny distrikan’i Toamasina ny tapany marainan'ny anio 05 Janoary 2018. Tsara ny mizara ireo fahalalana tsotsotra hoe: “Forte Tempête Tropicale” , raha eo anelanelan’ny 87-117 km/ora ny tanjany. Sokajiana ho “Cyclone Tropical” kosa raha tafakatra eo anelanelan’ny 118-165km/ora, ary “Cyclone tropical intense”, raha mananika ny 166-212km/ora. Niova avokoa ny toromarika fanairana, ka filazana loza mitatao (Danger Imminent): no azon’ny faritra Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro hatramin’ny omaly hariva. Filazana miloko mavo (loza manambana) ho an’Antalaha, Mandritsara, Andilamena, Tsaratanana, Anjozorobe, Antananarivo Avaradrano, Arivonimamo, Ambatolampy, Antanifotsy, Antsirabe I-II ary Vatovavy Fitovinany. Filazana miloko maintso (fanairana): Fandriana, Ambositra, Manandriana, Ambohimahasoa, Isandra, Vohibato, Lalangina, Fianarantsoa Ville, Ambalavao, Faritra Atsimo Atsinanana, Anosy, Ivohibe ary Iakora. Tsy tokony hiandriaka intsony ny mpampiasa ny ranomasina amin’ny morontsiraka eo anelanelan'ny Antalaha sy Mahanoro. Noho ity rivodoza ahiana handravarava toerana maro ity, dia nanapa-kevitra ny hampiato ny fampianarana ny DREN Alaotra Mangoro, ny CISCO Sainte Marie, Soanierana Ivongo, Toamasina, ary ny Fenerive Atsinanana. Entanina hatrany ny rehetra hanara-baovao tsy tapaka sy hiomana amin’ireo pitsopitsony samihafa mba tsy hotapohin’ny loza: fialana amin’ny faritra mety hitera-doza, fanangonana sakafo azo tehirizina, fanafody, rano fisotro madio, harina fandrehitra,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.